Resy tao ambalany ny Barea Tsy nahomby ny tsodranon-dRaprezy

Ny Valosoa

Efa iaraha-mahalala fa dia resy tao ambalany ny Barean’i Madagasikara, raha nifandona tamin’ny mpilalaon’i Benin, teo amin’ny minitra faha22 no nahatafiditra baolina ry zareo vahiny, dia tsy niova intsony io isa io.

Tao anatin’ny alahelo sy ny hakiviana no nandraisan’ny vahoaka malagasy iny vokatra iny. Nanao izay ho afany ireo mpilalao nalahatry ny mpanazatra Eric Rabesandratana, saingy tsy nambinina.
Amin’ny fotoana ahazoana faharesena toy izao no ilaina ny fandinihantena eo amin’ireo tompon’andraikitra voakasik’iny lalao iny. Misy ireo sokajin’olona izay manilika ny fahavoazana avy hatrany any amin’ny mpanazatra Eric Rabesandratana, ka mahasahy miantsoantso hoe “avereno i Nicolas Dupuis”. Tsy azo lavina aloha fa manana andraikitra amin’ny faharesena ny mpanazatra ary tsy afa-miala amin’izany izy, kanefa tsy azy irery ny andraikitra, satria be loatra ny resaka nifamahofaho talohan’iny lalao iny, izay tsorina fa tsy maintsy nisy ihany ny voka-dratsiny teo amin’ny toe-tsain’ny mpilalao na dia tamin’ny ampahany kely aza. Kanefa izay ampahany sokajiana ho bitika sy maivana izay dia goavana be rehefa miatrika lalao goavana.

Ny kapitenin’ny Barea, Abel Anicet Andrianantenaina dia efa nanambara fa hilalao baolina hiaro ny voninahi-pirenena no nahatongavan’ireo mpilalao eto an-toerana fa tsy sanatria tonga ho fitaovana politika hanatsara endrika ny mpitondra na ny ankolafy politika isan-karazany.
Ny fanambarana nataon-dRaprezy Andry Rajoelina teny Ivato dia efa nampitsanga-menatra ireo mpilalao izay niray fiaramanidina taminy, satria tsy tahotra tsy henatra izy mihantsy fotsiny izao ny federasiona, ary ny fideraderana nataony dia mametraka enta-mavesatra eo andamosin’ny mpilalao, toy ny fidradradradrana hoe niantohako ny fandehanan’ireo mpilalao any amin’ny “classe affaire”, fa tsy mendrika ny “classe economique” fa miforitra be hono.

Ny Alarobia hariva indray dia nasaina teny amin’ny Lapan’i Mavoloha ireo mpilalao niaraka tamin’ny mpanazatra, fotoana tokony hialantsasatra sy fiomanana ara-tsaina hifantoka tanteraka amin’ny lalao ho atrehana ny ampitso, kanefa dia fanasana tsotra izao no natao, izay azo antoka fa tsy maintsy niteraka havizanana ho an’ireo mpilalao. Ny vaovao navoaka dia nanambara fa notsofina rano teny andapa ireo mpilalao mba handresy, kanefa dia indrisy fa tsy zava-mahery ilay tsodrano, tsy dia atao mahagaga aloha izany satria isaky ny mitsodrano ity filohantsika ity dia zava-doza hatrany no aterany.

Tsy mbola maty ao antsaina ny tsodrano nataon-dRajoelina ny 26 Janoary 2009 teny Andavamamba, izay nilazany hoe : “tsofina rano ianareo izay ho any amin’ny Mbs Anosipatrana”, fa izaho handeha hody, ny 07 Febroary 2009 indray dia mbola niteny tamin’Ingahy Monja Rondefo indray ity mpitsodrano nanao hoe :”tsofina rano ianao Andriamatoa Praiminisitra, raiso ny Lapan’Ambohitsorohitra”, dia samy mahatadidy isika fa doro trano sy fandrobana no niseho teny Anosipatrana ary fatiolona mikararana no nisy teny Ambohitsorohitra, ary ny tamin’ny Alakamisy 02 Septambra 2021 teo dia nibaby kitra teny ampahatra ny mpilalao baolina kitra Malagasy, ny dikan’izany vao mainka voaporofo hatrany ny tsy fahombiazan’ny tsodranon-dRaprezy.