Rajoelina Andry – Manao tantara ka ho tsarain’izany ato ho ato

Andry Tsiavalona

Tena te-hanova ny tantara eto amin’ity Firenena ity marina ny filohan’ny Repoblika Rajoelina, ka izay nataony sy ataony ary mbola hataony dia tsy mbola nisy nanao mihitsy ireo filoha nifandimby teto nandritra ny enimpolo taona lasa.

Tsapa tamin’ny tranga rehetra, fa tsy nanaraka ny efa nahazatra sy nofaritan’ny fiarahamonina ny nataony rehetra. Nanomboka tamin’ny fianianana tsy nisy Baiboly izany. Ny alin’iny andro iny ihany dia nitranga ny fianjeran’ny vato be teny Ampahamarinana. Fambara ratsy sahady izany satria nanao ny tsy fanao ity filohan’ny Repoblika ankehitriny ity. Tsy ela taorian’iny tranga iny dia nanangana ny “Colisée” teny amin’ny Rovan’i Manjakamiadana izy ary nomeny anarana vaovao ity Lapa ity dia ny hoe Rovan’i Madagasikara. Niteraka fanoherana goavana teo amin’ireo taranaka Andriana, tsy avy eto Imerina ihany fa hatramin’ireo avy any amin’ny Faritra izany. Tsy mahagaga satria tsy io ihany ny Rova aty Afovoantany, fa misy koa any amin’ny Faritra misy Ampanjaka rehetra (Tranobe) any, koa maninona no saika nomena izany anarana izany ity eto an-drenivohitra ity. Fanitsakitsahana sy fanaovana tsinontsinona ny kolontsaina sy soa toavina manerana ny Nosy izany.

Tsy vitan’izay fa asa na niniany nodisoana na tena te-hanova ny tantara marina ny filohan’ny Repoblika, ka hatramin’ny toerana sy ny fomba namonoana ilay maritiora kristiana malagasy, Rasalama, koa no novany ary nolazainy fa navarina teo Ampahamarinana ity Maritiora ity. Tsara raha hampahafantarina ny taranaka aty aoriana fa nolefonina teny Ambohipotsy i Rasalama maritiora. Nivatravatra ihany koa Rajoelina Andry raha nitafa tamin’ny mpanao gazety vahiny iray, fa ny famerenana (restitution) ireo Nosy Malagasy no notakiany. Tsiahivina anefa fa efa fiaraha-mitantana no resaka tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina. Saika te-hanova ny tantara izy momba ity resaka ity, satria nanambara fa izy irery no sahy nitaky ny famerenana ireo Nosy ireo, fa ny mpitondra rehetra teo aloha dia tsy nisy sahy nanao izany. Nanambara ihany koa izy fa efa nanao voady hono, ka na inona na inona mitranga dia hijoro sy hitaky ny famerenana amin’ny Malagasy ireo Nosy ireo izy.

Tsy afaka nanova ny tantara momba ireo Nosy ireo indray koa izy na dia tamin’ny diany farany tany Lafrantsa teo aza. Nanao lanonana tamin’ny “diaspora” nifangaro tamin’ny delegasiona nentiny avy aty Madagasikara Rajoelina Andry taorian’ny fihaonany tamin’ny filoha frantsay. Hanova ny tantaran’ireo teratany Malagasy monina any Lafrantsa izy, ka hisy ny lalàna hatao hahafahan’izy ireo hifidy amin’ny taona 2023. Momba ny fitantanana ny Firenena dia maro ireo tranga mampiseho, fa tsy mbola nisy nanao toy izany teto amin’ny Firenena taty aorian’ny namerenana ny fahaleovantena. Tsy mbola nisy sahy nanitsakitsaka Lalàmpanorenana ireo Filoham-pirenena na Lehiben’ny fitondram-panjakana, satria nihiniana fa hitandrina izany toy ny anakandriamaso.

Tantara tsy azo kosehina eo amin’ny fiainam-pirenena ny fandalovan’ny valanaretina covid-19 ary torak’izany koa ny fametrahana ny hamehana ara-pahasalamana izay araraotin’ny fitondrana Rajoelina Andry izay tiany atao. Ny zava-doza dia izy no miandraikitra ny raharaha rehetra manomboka any amin’ny rafi-pitantanana farany ambany, ka hatrany amin’ny faratampony. Araka izany dia miandry baiko avy any aminy ny tomponandraikitra rehetra vao sahy manao zavatra. Tena saika fanovana tantara lehibe no nitranga teto raha afaka nampidina ny vidin’ny entana tao anatin’ny telo andro tokoa ireo minisitra manana andraikitra mifanandrify amin’izany. Iaraha-mahalala fa resaka izany fa tsy misy fieritreretana velively ny mety fomba entina manatanteraka izany.

Ny tranga farany entina manamarina ity làlan-tsaina hanova ny tantara ity ilay fahatezeran’ny filohan’ny Repoblika tamin’ny Federasiona Malagasin’ny Baolina kitra noho ilay fandraran’ny CAF ny fisian’ny mpijery tamin’ny lalao nifanandrinan’ny Barea sy Benin. Raha ny vaovao navoakan’ireo gazety mpomba ny fitondrana dia Rajoelina Andry no nahazo alàlana hahazoan’ny mpijery iray alina mijery ny lalao. Ny marina dia nekena niditra tao Mahamasina ny mpijery efa nahazo ilay tapakila efa nozaraina taloha raha Rajoelina Andry tokoa no nomena ny alàlana, saingy tsy maintsy nosoloina tapakila nisy fitomboky ny CAF izany vao nahazo niditra ny kianja ny olona.

Araka izany dia tsy ny tantaran’ny Firenena velively no miova fa ny tantaran-dRajoelina Andry, ka tsy azo kosehina mihitsy izany ary izy ihany no ho tsarain’izany, satria izy hatrany no mpisehatra mampisongadin-tena indrindra (jouer le rôle principal) eo amin’ny horonan-tsarin’ny fiainam-pirenena.