Filoha Ravalomanana – Midina ifotony indray, akaiky ny vahoaka hatrany

Isambilo

Manohy ny fitsidihana ifotony ataony indray ny filoha nasionalin’ny antoko TIM, sady filohan’ny RMDM, Marc Ravalomanana. Tao aorian’ny fitsidihany ny tany amin’ny faritra Menabe: Morondava, Malaimbandy, Miandrivazo, niantsena tany Imerintsiatosika, distrikan’Arivonimamo faritr’Itasy indray omaly, i Dada.

Araka ny vaovao voaray avy any an-toerana: nandeha be ny tsena nandalovan’i Dada tamin’izany, faly ery ireo mpivarotra nandritra izany. Nambarany fa:”Tsapako teto Imerintsiatosika androany, fa ny fidiran’ny mpianatra no manahirana mafy ireo Ray amandreny. Manoloana izany dia tsy nisalasala aho nizara izay voatsirambin’ny tanako ho an’ireo mpianatra. Nividy sarety ihany koa aho teny an-tsena, anisan’ny nanamarika ahy androany”, hoy izy.

Tsapa tamin’izao fitsidihana nataon’ny filoha Marc Ravalomanana izao, fa akaiky ny vahoaka hatrany ity mpanao politika filohan’ny vondron’ny antoko mpanohitra eto Madagasikara ity. Alarobia tsenan’Imerintsiatosika rahateo ny omaly, ka tafahoana ny tia sy ny manina tany an-toerana.