Rina Randriamasinoro – Mila maharaka ny toe-draharaham-pirenena ny tanora

Isambilo

Vahiny tao amin’ny fandaharana Dinika tao amin’ny MBS, ny sekretera jeneralin’ny antoko TIM, Rina Randriamasinoro, nambarany tamin’izany fa tokony hanaraka ny toe-draharaham-pirenena ny tanora, mila mahafantatra ny zavatra rehetra, ary tsy tokony hijanona fotsiny ho mpitazana. Mila mahafantatra ny tanora, na ny olona rehetra hoe inona no nahatonga izao fahantrana lalina eto amin’ny firenena izao, hoy Rina. Tsy tongatonga ho azy io, fa nisy antony.

Raha jerena mantsy ny habetsahan’ny harena eto amintsika, na ny an-kibon’ny tany na ny an-dranomasina, dia tena tsy mendrika antsika izao iainantsika eto izao. Mila mandray andraikitra ny tanora, ary mila manaraka ny toe-draharaham-pirenena. Mila mahafantatra ny tokony hatao koa, mba tsy ho mpitazana fotsiny na mionona amin’izay fanapahan-kevitra, izay tsy mifanaraka amin’ny tokony ho izy.*Rehefa resy lahatra ny tanora dia mandresy lahatra ny hafa, mba hahafantatra ny fiantraikan’ny fihetsika miraviravy tanana. Mila mamerina ny tantara koa isika, mba ho fantatry ny tanora ny tokony hataony, hampiova ny fomba fijeriny. Misy rivotra mitsoka manapotika ilay fanaovana politika eto amintsika, ary ilaina fanazavan-tsaina avy amin’ny antoko izany. Ilaina ny mitaky ny tamberin’andraikitra amin’ireo olona nofidiana, izy ireny no mitondra ary tokony hamaha olana, fa tsy tokony hiharitra fotsiny isika entina.

Toy izany koa, mila manana herin-tsaina isika amin’ ny tsy fanekena ny tsy rariny amin’ny fanendrena ny mpikambana amin’ny CENI, na HCC izay mitanila. Tsy natao itadiavana seza fotsiny ny fanaovana politika, fa manana vina ho entina mampandroso ny firenena ny antoko TIM.