Sahirana ny ray aman-dreny amin’izao fidiran’ny mpianatra izao

Helisoa

Ao anatin’ny fahasahiranana tanteraka ankehitriny ny tokantrano Malagasy, satria efa manomboka miditra mamonjy ny toeram-pianarana ireo kilonga madinika. Ny sarampianarana sy ny saram-pidirana mianatra miakatra andro aman’alina, ny fitaovam-pianarana efa tsy tenenina intsony fa tena mampikaikaika ireo ray amandreny. Ho an’ny sekolim-panjakiàna EPP dia tsy mazava loatra amin’ny ray amandreny ny filazàn’ny fanjakana fa maimaimpoana ny fidirana mianatra.

Maro mantsy no mitaraina fa tsy araka izany ny zavamisy, fa dia mandoa vola izy ireo. Hita izany any Faradofay faritra Anôsy raha ny angom-baovao avy any antoerana dia mbola ampandoavin’ireo talen-tsekoly 50000 ariary ireo ray amandreny mampiana-janaka amin’ny sekolim-panjakàna. Etsy ankilany anefa ny minisitra tompon’andraikitra manambara, fa tsy ampandoavina vola ny ankizy miditra antsekoly. Lasa werawera araka ny fitenin’ny tanora ilay izy, alefa amin’ny fampahalalam-baovao isan-karazany, nefa ny fanatanterahana tsy misy. Misy ihany no tsy manome tsiny ireny sekolim-panjakàna ireny, satria lasa miady irery ireny talen-tsekoly ireny. Ny fanampiana avy any amin’ny fanjakàna tsy misy, nefa mila vola ampandehanana ny asa andavanandro ao antsekoly. Eto Madagasikara aloha dia tsy misy mihintsy ny politika mazava itondràna ny firenena hampandrosoana ny vahoaka ataon’ity fitondràna lazaina fa TGV ity, fa politika famalifaliana olona no malaza, ka raha tsy tanteraka ireny araka ny ilàny azy dia mamoaka teny tsy voahevitra sady tezitra be.

Raha ny fandaniana lany amin’ny fanokanana ny kianjan’Imahamasina amin’ireo karazana artista marobe sy ny rendrarendra samihafa , ary ny fanafarana mpilalao baolina kitra avy any ivelany ve tsy afaka nanampiana ireo ray amandreny sahirana amin’ny fampidirana mpianatra ankehitriny? Mahatsiarotsiaro ny filoha Marc Ravalomanana ny ankamaroan’ny Malagasy ankehitriny, satria tsy mba nataony ambanin- javatra ny fijerena ireo ankizy hiditra antsekoly. Vao ety ampiandohana dia mahazo kitapo sy aron’akanjo miaraka amin’ny fitaovana raitra, izay azo ampiasaina mandritra ny 3 taona ireo ankizy mpianatra hanalàna fahasahiranana ireo ray amandreny. Teo ny fanamboarana sekoly mifandraika amin’ny filàn’ny ankizy any amin’ny faritra manerana any Madagasikara tamin’ny fitondràna Ravalomanana. Ny rafi-pampianarana dia mazava tsara, fa tsy miovaova araka izay tian’ny minisitera tompon’andraikitra atao. Rariny raha tsy misy zavatra mandeha eto amin’ny firenena, satria mitovy amin’ny fampianarana tsy mandeha amin’izay laoniny ny hitondràna ny firenena ankehitriny.

Araka ny efa nambara teo ambony dia tsy misy ny politika mazava hitantanana ny firenena eto, fa famonoana afo sy zavatra mirentirenty tsy mahasoa fa mahafinaritra fotsiny. Mandeha mivoaka any ivelany mamonjy fivoriana, tsy fantatry ny vahoaka Malagasy akory ny antondia any, ary rehefa miverina, tsy mba misy voandalana tsara ho entina ho an’ny Malagasy. Inona no nentiny teo? mihantsy ady amin’ny federasiona ny baolina kitra, mba hanafenana ny tsy fahombiazana tamin’ny dia natao namoahana vola be no nataon’ny filoha mamimbahoaka. Tena gaga ny rehetra fa tena niseho tamin’ny vahoaka Malagasy ny toetran’ny mpitondra fanjakàna ambony indrindra eto amin’ny firenena. Mihantsy ady, mampiseho fa azy ny hery sy ny fahefana, ka manao hoe “ fantatro tsara daholo nareo “. Tsy dia mahagaga izany satria ny olona akaikin’ny filoha Andry Rajoelina dia akoho vavy maneno ny maro, tsy menatra ny miady amin’ny olona tsy mitovy hevitra aminy. Ny mitovy toetra ihany tokoa no miaraka, saingy aiza no hiafaran’i Madagasikara raha mpitondra toy izany no mitondra ny firenena, izay manome ohatra ratsy ho an’ny taranaka faramandimby?