Vehivavy TIM Boriborintany voalohany – Vonona hanabe voho ny antoko TIM

Ny Valosoa

Nifamotoana tao amin’ny lycée Privé Fanavotana tao Antsalova, ny Vehivavy Tiako i Madagasikara (TIM), Boriborintany voalohany Antananarivo Renivohitra ny alahady teo, na andro fakàna aina aza. Izany no natao dia ao anatin’ny famelomamaso ny antoko Tiako i Madagasikara (redynamisation), ka tsy afaka misaraka amin’izany ny vehivavy TIM amin’ny maha rantsana lehibe azy ao anatin’ny antoko. Nanatrika sy nitarika ny fotoana teny an-toerana ny birao vonjimaika, notarihan’ny filohan’ny vehivavy TIM Analamanga: Rahelisoa arphine sy ireo ao anatin’ny birao miaraka aminy ary ny filoha lefitry ny vehivavy TIM ao amin’ny Boriboritany voalohany.

Araka ny toromarika avy amin’ny birao politika nasionaly dia ao anatin’ny famelomamaso ny antoko TIM ankehitriny. Noho izany, nifampidinika ny vehivavy TIM tao amin’ny Boriborintany, hijerena ny paika ahafahana manaparitaka ny vehivavy TIM manerana ny fokontany 44 mandrafitra ny Boriborintany voalohany. Nivoaka tao anatin’ny fivoriana fa omena iray volana ny eny amin’ny fokontany hananganana ny fototry ny vehivavy TIM, ka ny 30 septambra ho avy izao dia tokony ho efa hitsangana ny vehivavy TIM manerana ny fokontany 44. Amin’ny maha antoko politika ny TIAKO i MADAGASIKARA, dia dieny izao dia efa miomana amin’ny fametrahana ny filoha Marc Ravalomanana hitantana ny firenena indray ny vehivavy TIM, satria mahatsapa izy ireo fa tena latsaka lalina ny firenena.

Ny filoha Marc Ravalomanana no efa azo tsapaintanana ny zavabitany, ka matoky tanteraka ny vehivavy TIM, fa izy irery ihany no afaka hanarina ny firenena izay lasa mahantra indrindra erantany noho ny tsy fahaiza-mitantan’ny mpitondra ankehitriny.