IZA DAHOLO IREO?

Iza indray izao ireo notaomina mba hameno ny ambasady,
Sa ireo gasy mpisolelaka izay nozarina handady?
Ireo ilay toy ny sakakely izay tsipazan-trondro maina,
Ka manaiky izay rehetra baikon’ny filoha hajaina?

Iza indray izao ireo notaomina mba hameno ny ambasady?
Ireo no karamaina hitehaka ilay mpamarina any an-kady?
Io anie tsy fetifety hoentina hialana vizana,
Ka itadiavana DJ toy ny amin’ny alim-pandihizana!

Iza indray izao ireo notaomina mba hameno ny ambasady,
Sa ireo gasy fohy fisainana sady tsy manadihady?
Tsy mba tia mijery ifotony izay manjo ny firenena,
Fa manaiky ho entam-barotra toy ireo mpivarotena!

Iza indray izao ireo notaomina mba hameno ny ambasady?
Tena mbola hihaona isika, tena mbola hifampitady.
Fa ny anay dia tsotra ihany no asehonay ho tazana:
Tsy azo ekena hitondra intsony ny mpivaro-tanindrazana!

TSIMIMALO (29-08-21)