155 taona ny gazety Malagasy voalohany – Misy ny fampirantiana etsy amin’ny Tranombokim-pirenena Ampefiloha

Stefa

155 taona amin’ity taona ity ny gazety Malagasy voalohany. Tontosa ny 27 Aogositra 2021 teo, tetsy amin’ny Tranombokim-pirenen’i Madagasikara etsy Ampefiloha, ny lanonana nentina nanombohana ny fankalazana ny tsingerintaona faha-155 niforonan’ny Gazety Malagasy voalohany izany, izay marihana amin’ny alalan’ny fampirantiana, karakarain’ny fikambanan’ny mpanao gazety zokiolona eto amintsika, na ny CJD.

Raha tsiahivina ny tantara, tamin’ny andron’ny mpanjaka Rasoherina, ny janoary 1866, no nivoahan’ny gazety voalohany antsoina hoe “TENY SOA HANALAN’ANDRO”, nafohezina tamin’ny fiantsoana hoe « Teny soa », navoakan’ny London Missionary Society (LMS). Gazety fanabeazana sy gazety ara-pinoana ity gazety ity tamin’izany. Taoriana kelin’io dia maro ny gazety nivoaka, tao izany hoe « Resaka Malagasy », « Mpiaro», « Mpanolotsaina », « Mpamangy », « Sakaizan’ny Ankizy Madinika », saika navoakan’ireo antoko-pivavahana nisy izy ireo. Teo ihany koa ny tamin’ny teny anglisy « Madagascar Times » sy «Madagascar News ».

Amin’ny alalan’ny gazety no ahafahan’ny firenena iray manamafy ny maha-izy azy. Zava-dehibe loatra araka izany ny fahalalahana manao gazety. Mitana anjara toerana lehibe eo amin’ny fampivoarana ny firenena iray ny gazety, ka tsy tokony hatao ambanin-javatra. 155 taona aty aoriana, nivoatra ihany koa ny endriky ny gazety, satria misy ny gazety vakiana amin’ny solosaina na ny finday noho ny fivoarana ara-teknolojika ary tsy vitsy ny manaraka azy ireny. Tsy diso anjara anefa ny gazety taratasy, fa mbola maro ny liana sy mamaky izany gazety an-taratasy izany.

Ny gazetinao Ny Valosoa Vaovao dia sady gazety an-taratasy, izay mivoaka in-3 isan-kerinandro: talata, alakamisy ary sabotsy, no azo arahina amin’ny solosaina sy ny finday ihany koa amin’ny alalan’ny www.gvalosoa.net na www.gvalosoa.com. Facebook amin’ny: gazety valosoa rakoto. Amin’ny twitter amin’ny: @nyvalosoavaovao.