Sainte Marie – Migrevy, 4 vola tsy nandray karama ny mpiasan’ny kaominina

Isambilo

Migrevy ny mpiasan’ny kaominina any amin’ny Nosy-Sainte-Marie, faritra Analanjirofo amin’izao fotoana. Ny anton’izany, 4 volana tsy nandray karama ny mpiasa ao anivon’ny fiadidiana ity tanàna ity.

Tsy manokatra ny birao fiasana izy ireo, ary tsy hamoha izany raha tsy voaefa izay karamany 4 volana izay araka ny fanambarana nataon’ireo mpiasa, izay miisa 70 eo no voakasik’izany.

Mitaraina izy ireo, satria hampiditra ny mpianatra hianatra amin’ny fiandohan’ny volana septambra ho avy io, nefa tsy misy ny vola hiatrehana izany, tsy voavidy koa ny sakafo, ny hofan-trano tsy misy tokontaniny,…

Araka ny voalaza, efa nisy anjara karaman’izy ireo 3 volana tonga tamin’ny “percepteur” tany an-toerana, tsy mbola nisy anefa ny fandoavana izany karama izany hatramin’izao, ka hanairan’izy ireo ny sain’ny tompon’andraikitra.