Fiofanana tao Bel’Air Ampandrana – Ho tompon’andraikitra amin’ny hakana fahefana koa ny tanora TIM

Niaina

Fahombiazana ny fiofanana nomena ireo tanora avy amin’ny antoko Tiako i Madagasikara, na Tanora TIM, teny amin’ny foiben-toeran’ny antoko teny Bel’Air Ampandrana ny sabotsy teo. Tonga maro niatrika izany ireo tanora avy amin’ity antoko ity avy eto Antananarivo sy ny manodidina. Fiofanana momba ny fanaovana politika, ny fahaiza-mitarika, ny resaka fandraharahana sy fanaovana tetikasa no anisan’ny nomena an’izy ireo tamin’izany, araka ny teny filamatra hoe : « ho tanora tompon’andraikitra ».

Anisan’ny nisongadina tamin’ireo lahateny nifandimbiasan’ireo avy amin’ny birao politika tonga nanatrika izany, fa ho tompon’andrikitra eo amin’ny hakana fahefana indray koa ny Tanora TIM, satria tanjona voalohan’ny antoko politika rehetra dia izay fakana fahefana izay amin’ny fomba demokratika ary ny tanora ihany koa no anisan’ny maro an’isa eto amin’ny firenena. Ny birao politika izay nosoloin’ny mpandrindra nasionaly Jean Claude Rakotonirina sy Julien Andriamorasata tena. Ireo mpanofana kosa dia nahitana mpanao politika avy amin’ny TIM efa nandalo izany sehatry ny tanoran’ny antoko izany, toy ny ben’ny tanànan’Alasora Jimmy Randriantsoa, Mamy Mamonjy Raharinavalona, ary ny filohan’ny TIM Analamanga amperin’asa Solofo Razanadrakoto.

Mitondra fijery vaovao sy ainga vao eo amin’ny sehatra politika eto amintsika izao nanomezana fanofanana ny tanora ao anivon’ny antoko TIM izao. Mbola hitohy izany ary araka ny efa fantatra dia hajoro ny TIM Akademia hisahana izany. Nisongadina fa tsy ho tanora hanao fampielezan-kevitra fotsiny intsony ny tanoran’ny antoko, tsy ho tanora hijery spectacle fotsiny intsony, tsy ho tanora ho fitaovam-piasana fotsiny intsony, fa ho tanora tompon’andraikitra feno amin’ny tenany sy ny ho aviny, eo amin’ny fianakaviany ary ny tena lehibe indrindra dia ny eo amin’ny sehatry ny Fireneny.