LEOM-POZA NY VAHOAKA !

Tezitezitra indray fa tsy afaka nirehareha
Satria namotaka daholo ve ireo dia izay naleha?
Akama vitsy tao Frantsa no hany mba nitehatehaka,
Ary dia nimpirimpirina fa tsy afaka nidehadehaka?

Tsy namelaran-karipetra mba ho mari-panajana.
Tsisy koa ny seza miavaka tamin’ny toera-nanasana.
Tena mahalasa saina ny amin-javatra toy izany,
(Indrindra indrindra ho anao mpitady voninahitry ny tany!)

Tetsy Ivato indray dia hita fa somary maina molotra.
(Kely angamba ireo voandalana izay noheverina hatolotra!)
Ka dia zavatra hafa indray no nokendrena hatao an-ditra?
(Inona àry akia no idirany? hoy ireo mpankafy ny kitra!)

Moa tsy ireny no porofo f’efa akaiky ho tapi-dalana
Ka ny hira izay firedona no efa toa mivalambalana?
Fitokanana kianja sy afomanga ve no maika ?
Fa ny fahoriam-bahoaka zary toa tsy mampiraika?

Izay vangiana sy aleha ‘ty efa toa maneno sahona.
Tsy tantely no zaraina fa tangena miharo vahona.
Koa dia efa miomàna ry mpitondra tsisy hapoaka.
Tsara ny mangoron’entana, leom-poza ny vahoaka!

IRINA HO TAFITA (31-08-21)