Baolina kitra – Vaky ny ady eo amin-dRajoelina sy Raoul

Lita

Vaky ny ady eo amin’ny fitondrana tarihan’ny filoha Andry Rajoelina, sy ny Federasiona Malagasin’ny baolina kitra (FMF), tarihan’i Arizaka Rabekoto Raoul. Tamin’ny fiverenany an-tanindrazana omaly, nanambara ny filoha Rajoelina: “alalana avy aiza no ahafahan’ny FMF mandefa taratasy any amin’ny CAF mangataka fahazoan-dalana hanisy mpijery 1500 etsy Mahamasina, kanefa ny ministera efa nandefa taratasy tany amin’ny FIFA? Sabotage nataon’ny Federasiona Malagasy, no antony tsy nahazoana alalana avy amin’ny CAF hanasiana mpijery ny lalao etsy Mahamasina ny 02 Septambra”, hoy izy.

Tsy fantatry ny filoha angaha fa tsy misy itsabahan’ny fanjakana mihitsy ny lalao izay karakarain’ny CAF sy ny FIFA ary ny azy ny fanapahan-kevitra tsy miverin-dalana izany toy ny ataon’ny fitondrana Rajoelina amin’izao fotoana matetika. Arak’izany ny alakamisy 2 septambra ho avy izao amin’ny 7 ora hariva ihany no hanatanterahana ny lalao eo amin’ny Barea an’i Madagasikara sy i Bénin etsy amin’ny kianja Barea Mahamasina, tsy azo hatrehan’ny mpijery, fa ny fitokanana ity kianja ity kosa, izay hataon’ny fitondrana dia hatao ny sabotsy 4 septambra ho avy izao.

Afa-baraka indray arak’izany ny fitondrana Rajoelina, satria mitady hitsabaka amin’ny fandaminan’ny CAF sy ny Fifa, izay tsy azony atao velively mihitsy. Nampakapeo Rajoelina teny Ivato fa: ”noho ny tsy fitiavana olona iray sy tsy fahafaliana amin’ny fahavitan’ny kianja, dia migafy ny lanonana izay kasaina atao ny Federasiona Malagasy ny baolina kitra, tsy manisy hajany ny mpilalao mihitsy ny Federasiona malagasy ny baolina Kitra. Handray an-tanana ny famahana ny olana aho, amin’ny tokony hanasiana mpijery ny lalao sy fitokanana ny kianja. Fantatro daholo ianareo ireo ary ho hitanareo ny tohiny”, hoy ihany ny Filoha Rajoelina.

Fehiny, tsy fahaizana sy tsy fananana fahalalana ankapobeny momba ny baolina kitra mihitsy, no nasehon’ny filoha omaly io, ka nahatonga azy niteniteny foana toy ireny. Mampalahelo.