Mpitondra tenin’ny governemanta – Tsy ampihimamban’ilay akohovavy maneno irery intsony

Stefa

Lasa miisa 2 ny mpitondra tenin’ny governemanta nanomboka tamin’ny tapak’ity volana aogositra ity. Arak’izany dia tsy i Lalatiana Andriantogarivo Rakotondrazafy irery intsony, no mpitondra tenin’ny fitondram-panjakana, fa nanjary misy ministra iray hafa manampy azy. Tsy ampihimamban’ity akohovavy maneno ity irery intsony arak’izany ny mitondra ny tenin’ny governemanta.

Nahazo mpitondra teny vaovao ny governemanta Ntsay CHRISTIAN, araka ny nambaran’ny mpitondra teny teo aloha Lalatiana RAKOTONDRAZAFY. Pierre Holder RAMAHOLIMIASY, no mpitondra teny voalohany vaovao ary ny minisitry ny serasera no faharoa. Efa ity farany no nitana io toerana io nandritry ny 2 taona sy tapany naha filoha an’i Andry RAJOELINA izay.

Nambarany tamin’izany koa fa misokatra ho an’ny minisitra rehetra mpikambana ao amin’ny Governemanta ny fandaharana “Tsy ho tompontrano mihono” ao amin’ny haino aman-jerim-panjakana manomboka izao; hahafahan’ny Minisitra tsirairay mitondra fanazavana mikasika ny fandaharanasa ao amin’ny Departemanta iandraiketany. Ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana, Pierre Holder Ramaholimiasy sy ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana Andriatongarivo, no mpitondra tenin’ny Governemanta nanomboka ny 15 aogositra teo.

Voalaza fa samy afaka mitondra fanazavana ny fandaharanasan’ny Governemanta ireo minisitra roa mpitondra tenin’ny Governemanta ireo. Efa tsy dia atokisana loatra intsony arak’izany ny ministry ny serasera sy ny kolontsaina ao amin’ny fahefana mpanatanteraka ao, matoa misy ministra iray hafa manampy azy amin’izay fitondrana ny tenin’ny governemanta izay.

Araka ny feo re avy ao an-dapa aza nandritra ny fanendrena ny mpikambana ao amin’ny governemanta vaovao teo dia efa tsy tao anatin’izany ity ministry ny serasera ity, izay no nahatonga azy ho malok’endrika nandritra izany fampahafantarana ny ministra vaovao teny Iavoloha izany.