Fanetsehana sy fameloma-maso ny antoko TIM – Fanomanana ny fiverenana eo amin’ny fitondrana, hoy i Rina R.

Isambilo

Notanterahana teny Anjanahary afak’omaly, ny fanetsehana sy fameloma-maso ary fanabeazamboho, na redynamisation, ny antoko TIM, tao amin’ny Boriboritany faha-5 Antananarivo Renivohitra. Niatrika izany ny birao politika nasionalin’ny antoko, nahitana ny sekretera jeneraly Rina Randriamasinoro, ny mpandrindra nasionaly Jean Claude Rakotonirina ary Julien Andriamorasata. Tao koa ny filohan’ny Jeune TIM Analamanga Solofo Razanadrakoto, sy ny filohan’ny Vehivavy TIM Analamanga Arphine Rahelisoa ary ny depiote voafidy tao amin’ity boriboritany ity, Fetra Ralambozafivololona. Nambaran’ny sekretera jeneraly Rina Randrimasinoro nandritra izany, fa ny redynamisation, na ny fanetsehana sy ny fameloma-maso ary ny fanabeazamboho ny antoko dia fanomanana ny fiverenana amin’ny fitondrana, fanomanana ny fakana fahefana amin’ny fomba demokratika ary miatrika izany ny antoko najoron’ny filoha Marc Ravalomanana.

Ankoatra izany, ny asa vita no itarafana ny olona iray, fa tsy ny teny avoakany, hoy ity mpanao politika tanora ity. Lasa mitondra amin’ny alalan’ny serasera fotsiny ny mpitondrana fanjakana ankehitriny, raha ny nambarany hatrany, kanefa ny fampandrosoana hita mivaingana miantraika amin’ny fiainam-bahoaka, tsy misy mihitsy. Ny filoha Rajoelina hoy ihany izy dia nilaza, fa manarina ny zavatra tara rehetra nandritra ny 60 taona, saingy ny mahagaga dia tamin’ity fitondrana nentiny ity vao nisy an’izany hoe ny tahan’ny harin-karena faobe – 4 % izany, hoy i RINA RANDRIAMASINORO. Midika izany fa mihemotra i Madagasikara, ary mihemotra any amin’ny farany mihitsy, fa ny mpitondra no milaza fa mandroso. Ka izany no tsy ahazakan’ny fitondrana ireo tsikera entin’ny mpanohitra, satria tsy arak’izay lazainy ny tena zava-misy marina.

Tsy mahasoa ny firenena anefa io fanaovana politika anaty fankahalana, sy fanenjehena noho ny tsy fitovian-kevitra io. Ary fahalemena ny tsy fahaizana miady hevitra sy miaro hevitra ary ny tsy fahaizana maneho hevitra. Ka izany indrindra hoy Rina, no antony hananganana ny TIM Akademia, fampianarana politika, izay hivelatra manerana an’i Madagasikara ho an’ny tanora, na ny olona liana amin’ny resaka politika.