EDITO 31 aogositra – Diaspora RMDM – Rajoelina miala no vahaolana

Helisoa

Nifamotoana tao Paris nanoloana ny ambasady Malagasy tany an-toerana ny RMDM DIASPORA, izay nahitàna ireo Malagasy monina any Monpellier, Toulouse, Bordeaux, Tours, Rennes, Bretagne… Ny hetsika izay natao dia nifanindry indrindra tamin’ny fahatongavan’ny filoha Rajoelina hamonjy ny fivorian’ny MEDEF tany Paris renivohitr’i Frantsa, ka nanehoan’ny Diaspora Rmdm ny tsy fankasitrahana sy fangatahany ny hialàn’ny filoha Rajoelina.

Nisy ny fangatahan’ireto farany hihaona tamin’ny filoha saingy nolazaina izy ireo, fa efa feno ny toerana. Vokatr’izany, niandry ny fandalovan’ny filoha Andry Rajoelina indray, izay namory olona tao amin’ny masoivoho Malagasy ireo RMDM DIASPORA, saingy tsy nandalo izy, tahotra no lehibe indrindra hoy ireto farany matoa tsy sahy nifanatrika tamintsika ny filohampirenena, ka karakarao fa mivoraka. Nanakoako tany an-toerana ny teny hoe MIALA RAJOELINA.

Raha dinihana dia maro ny hetsika nataon’ireo diaspora Rmdm, fa mba nihaino ve ny filoha? Vao mainka aza manohitra ny Rmdm diaspora no ataon’ny mpomba azy indrindra ilay Rinah Rakotomanga, izay lasa mpanolotsaina ny masoivoho any Paris no vao mainka mila ady tsotra izao amin’ny fanendrikendrehana sy fanaovana fanehoankevitra mampisaraka amin’ny tambazotrantseraserany facebook. Aiza moa no andeha ity firenena ity, koa ny mpitondra tsy mba maka lesona, fa mpitondra manenjika ny mpanohitra no misy eto.