Barea sy i Bénin ny alakamisy izao – Tsy azo atrehin’ny mpijery na à huis clos hoy ny CAF

Ny Valosoa

Namoaka fanambarana ny CAF, na ny Kaonfederasiona Afrikana momba ny baolina kitra omaly, ho valin’ny fangatahan’ny Federasiona Malagasin’ny baolina kitra, nangataka ny hahafahana mampiditra mpijery miisa 1500 amin’ny fihaonan’ny Barea an’i Madagasikara sy i Bénin ny alakamisy 2 septambra ho avy izao ao amin’ny kianja Barea Mahamasina, amin’ny fifanintsanana amin’ny Mondial 2022 hatao any Qatar. Ny valiny avy amin’ny CAF, tsy azo atrehan’ny mpijery ny lalao, na à huis clos, araka ny fandaminan’ny FIFA sy ny CAF amin’ny ady amin’ny valanaretina coronavirus. Ny fandikana izany dia mahavoasazy hoy ny fanambarana.

Ankoatra izany anefa araka ny voalaza fa tokanana amin’ny Alakamisy 02 Septambra 2021 izao ny kianja filalaovana baolina kitra etsy Mahamasina. Raha ny fandaharampotoana efa navoaka dia hisokatra amin’ny 10 ora maraina ny kianja, ny tolakandro amin’ny 3 ora no manomboka ny fitokanana, ary ny hariva amin’ny 7ora no ho tanterahina ny lalao mandroso ihaonan’ny Ekipampirenena Malagasy sy ny avy any Bénin.

Marihina f’efa nampiasaina io kianja io tamin’ny 26 Jona nanaovana ny matso fanamarihana ny fetimpirenena, kanefa dia mbola ho tokanana indray. Raha ny tokony ho izy koa dia tokony ho sarahina ny fitokanana sy ny fandraisana lalao iraisampirenena, satria ny fitokanana dia raharahantsika Malagasy, satria fotodrafitrasantsika malagasy io, fa ny lalao kosa dia iarahana amin’ny Fifa sy ny Caf, ary ny Federasiona Malagasin’ny Baolina kitra na ny Fmf no tena misahana ny fikarakarana ny lalao, saingy ny mpitondra eto amintsika efa zatra ny mampifangaro izay tsy tokony hifanosona, satria ho azy ireo dia ny fidedahana no betsaka. Fa ny tena tsy zakan’ny saina aman’eritreritry ny mpitia baolina kitra malagasy dia ny fanaovan’ny fitondrana tsinontsinona ireo kintan’ny baolina kitra malagasy izay nitondra avo ny voninahi-pirenena.

Ho tokanana ny Kianja ao Mahamasina dia ilay teratany Kameroney mpilalao baolina kitra tany Eoropa no ho hindrahindraina amin’ny fitokanana, kanefa eto amintsika dia mbola velonaina soa amantsara ireo namiratra fahiny anisan’izany ry Maitre Kira, Augustin Baovola, Dezy Ramasy, René Tale , sns… ary misy koa ireo mpilalao malagasy namiratra tany ivelany toa an’i Arsène Malabary,…

Hita taratra amin’izao fihetsiky ny fitondrana izao, fa tsy misy lanjany ireo nahavita be teo aloha, tsy mahagaga izany satria efa hita porofo fa tamin’ny fampodiana ny nofo mangatsiakan’i Rafalimanana Ferdinand na i “ Gôly be “ dia tsy niditra an-tsehatra mihitsy ny fitondrana, fa ny mpitia baolina kitra malagasy tany ivelany sy teto an-toerana no tena nandray an-tanana ny lany .