TIM Menabe – Vory maro na tampotampoka ny fahatongavan-dRavalo

Isambilo

Mitsidika ny any amin’ny faritr’i Menabe iny amin’izao fotoana ny filoha nasionalin’ny antoko TIM, sady filohan’ny vondron’ny mpanohitra RMDM Marc Ravalomanana sy Neny Lalao Ravalomanana vadiny. Na tampotampoka aza ny fiantsoana ireo mpikatroka Tiako i Madagasikara nihaona taminy omaly tao Namahora Morondava, vory maro tokoa ny mpikatroka. Tsy omby ny toerana nandraisana azy tamin’izany.

Fifanakalozan-kevitra sy famaliana ny fanontaniana nataon’ireo mpanatrika, no anisan’ny fandaharam-potoana nandritra izany. Tsy nitsitsy fanontaniana ireo mpanatrika nandritra izany, na ny mahakasika ny fanetsehana sy fanabeazam-boho ny antoko TIM (redynamisation) izany, na ny mahakasika ny raharaham-pirenena amin’ny ankapobeny. Nahazo valiny mahafapo tamin’i Dada avokoa ireny rehetra ireny, ka faly tena faly, sy ravo tokoa ireo tonga nihaona taminy tao amin’ny toerana antsoina hoe Mangasaca Morondava.

Ankoatra izany, mahafaly ahy hoy izy ny finiavanareo hamerina ny hery sy ny lazan’ny antoko TIM, hanampy anareo amin’izany ny birao politika nasionaly, ny tanjona dia ny hiverenan’ny antoko eo amin’ny fitondrana indray, hanarina izao firenena latsaka anaty hantsana izao, noho ny tsy fahaiza-mitantan’ny fitondrana Rajoelina. Mahakasika ny TIM Menabe kosa, noho ity fihaonana tampoka tamin’ny filoha Ravalomanana omaly ity, voatery hahemotra amin’ny fotoana manaraka ny kongresim-paritra saika hataon’izy ireo ny 4 septambra ho avy izao.