Fitondrana Rajoelina – Bankiropotra ny firenena 2 taona sy 7 volana aty aoriana

Andry Tsiavalona

Mitrosona amin’ny tany ny vahoaka malagasy ary bakiropotra ny Firenena roa taona sy fito volana aty aoriana, na dia nandova avy tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina harinkarena faobe 5,2% aza izao mpitondra tarihan-dRajoelina Andry izao. Manaporofo izany ny tahan’ny harinkarena faobe ho 0,4%, ny kere any Atsimo, ny fitotongan’ny sandam-bola, ny tsy fananan’ny sarambabem-bahoaka fahefa-mividy intsony, noho ny fidangan’ny vidin’ny zavatra ilaina andavanandro, ny fikatonan’ny orinasa maro niteraka fahaverezan’asa ho an’ny olona aman’hetsiny maro. Zava-misy azo tsapain-tànana sy hita ireo toe-javatra voatanisa ireo.

Voaporofon’ny maha bankiropotra ny Firenena ny fahapotehan’ny orinasam-pirenena malagasy Air Madagascar, izay toa atao fanahiniana ihany, satria raha omena tohana ara-bola (subvention) an-jatony miliara ariary maro ny orinasam-pirenena Jirama entina mampihodina azy. Ankehitriny dia mifandimby mitokona ny mpiasa sy mpandraharaha ary ny mpianatra any amin’ireo Anjerimanontolo. Tsy mitsara ny fanadinana bakalorea ny mpampianatra any Antsiranana, satria tsy mbola nisitraka ny tambin-karamany tamin’ny taon-dasa izy ireo. Ny manahirana dia ny mpianatra, izay anisan’ny vahoaka ary nisikimponitra ny ray aman-dreny niantohana ny fampianarana azy, no hihàrany sy mizaka ny voka-dratsin’ny tandrevaky ny fitondrana. Mitokona ihany koa ny mpiasa sy mpandraharaha any amin’ny oniversiten’i Toliara, satria tssy mbola nandray ny karamany nanomboka ny volana jolay. Nanao fanambarana anefa ny minisiteran’ny fampianarana ambaratonga ambony, fa efa lasa any amin’ny Oniversite ny vola kanefa manamafy ireo mpitokona, fa tsy mbola misy izany any.

Tena tsy misy vola intsony tokoa ao amin’ny tahirim-bolam-panjakana ao, satria toa hanara-dia ny orinasam-pirenena Air Madagascar ihany koa ny ao amin’ny ACM (Aviation Civil de Madagascar), noho ny tsy fisitrahan’ny mpiasa ao ny karamany. Mandroso, hono, ny asa fananganana ny tanànan’i Miami ao Toamasina ao. Ny manahirana dia mbola misy vary mangatsiakan’ny fitondrana tsy voalohany amin’ireo nanao asa fanamboaran-dàlana, ka ahiana fa hihàtra amin’ireo manao ny “Miami” indray izany. Raha ny vaovao farany dia hiala eto Madagasikara ny tranombarotra lehibe « Shoprite » ary dia hanatevin-daharana ny tsy manana asa indray izany ireo mpiasa aman-jatony maro ao amin’ity orinasa ity. Raha ny fantatra dia ny olana eo amin’ny famatsiana entana avy any ivelany sy ny fitotongan’ny sandambola ariary no tena anton’izao fisintahana izao. Tsy afaka manafatra entana ilainy avy any ivelany ny orinasa maro, satria “mihidy” ny sisintany. Iaraha-mahita anefa fa misy ihany ireo mahazo alàlana manao izany. Manampy trotraka ireo olana ireo ny hetra takian’ny fitondrana amin’itony tranombarotra itony, ka midina amin’ny farany ambany ny tombom-barotra miditra, ka aleony mikisaka any amin’ny firenena heveriny, fa mety hahitana vokatsoa kokoa. Araka izany dia tsy ny mpiasa na orinasa eo amin’ny sehatra tsy miankina ihany no misedra olana eo amin’ny lafiny rehetra, fa na dia ny eo anivon’ny sampan-draharaham-panjakana koa aza. Rehefa atao ny tambatra dia raha mbola izao toe-draharaha misy eto Madagasikara izao no mitohy dia tsy misy tara-pahazavana kely akory eny amin’ny faravodilanitra, ho an’ireo orinasa mbola miezaka mamelon-tena na dia mitsipozipozy aza.

Lasa any Parisy ny delegasiona mafonja tarihan’ny filohan’ny Repoblika handresy lahatra ireo mpandraharaha frantsay hampiasa vola eto Madagasikara. Eo amin’ny sehatra inona anefa no azo heverina, fa mety hafahana mampiasa vola, satria na ny mpandraharaha teratany malagasy izay mampiasa vola eto an-toerana aza tsy manana fanantenana intsony. Ny azo lazaina dia misintona mpandraharaha vahiny ny mpitondra hampiasa vola eto sitrany hahay misy vola vahiny miditra mety hampiakatra ny sandam-bola gasy. Ny olana anefa dia na ny mpandraharaha eto an-toerana aza tsy mba nisitraka fanampiana avy amin’ny fitondrana nandritra ny hamehana ara-pahasalamana ary mbola mitohy koa anefa ny hamehana, ka tsy misy antoka ho an’ny mpandraharaha mety ho avy eto izany. Etsy ankilany koa dia tsy misy filaminana ara-politika eto Madagasikara, ka tsy azo antoka velively ny fampiasam-bola ao amin’ny firenena toy izany.