Mponin’Ambohikaviro Toamasina II – Manamafy ny fitakiana ny taniny bodoin’ny Filatex

Ny Valosoa

Manamafhy ny fitakiana ny taniny bodoin’ny orinasa Filatex ireo mponina any Ambohikaviro Toamasina II, faritra Atsinanana, milazaa izy ireo amin’ny fanambarana nataony fa:

1 .Mitory ny FILATEX ny kaominina sy ny vahoaka any amin’ny tribonaly, mangataka ny hanafoanana ireo titre ireo, satria tsy maintsy nisy ny vice de procedure tao. Ireo mponina no nanajary ny tany, koa maninona ny ny Filatex no manjary mahazo ilay tanim-panjakàna?

2. Voaporofo soa amantsara, fa ireo vahoaka no efa nonina teo amin’ny tany nanomboka ny taona 1923 ary na ny fasan-drazan’ireo vahoaka aza dia ao anatin’io tany io. Izany no nahatonga ny vahoaka ahazo karatany na ny certificat foncier.

3. Marina fa nahazo titre ny FILATEX, kanefa tamin’ny fomba ahoana, satria na ny vahoaka monina eo aza, mbola tsy nahita mpiasan’ny TOPO nandalo teny nanao consultation du voisinage. Amin’ny fomba ahoana no nahatafiditra tampoka teo ireo voly, fonenana ary fasandrazana ao anaty titre Filatex?

4. Tsy misy ifandraisany amin’ilay ady tany ity ny projet panneau solaire ity, fa na 1 ha na 2 ha aza dia ampy hanaovana izany projet izany. Ary tsy manakana izany ireo mponina, fa mila haverina aminy amin’ny fomba madio aloha ny taniny dia afaka manao ireo projet ireo ny fanjakàna na 10 ha aza no ilainy. Fa maninona no mibodo 100ha ny FILATEX? Hoy hatrany ny fanambarana nataon’izy ireo.