Fivorian’ireo mpandraharaha miteny Frantsay – Voabaraka, tsy raharahian’ny olona Rajoelina

Ny Valosoa

Mitsidika ny any Frantsa amin’izao fotoana ny filoha Andry Rajoelina, miatrika ilay fivoriana iarahan’ireo mpandraharaha avy amin’ny tany miteny Frantsay, sy ireo mpandraharaha any Frantsa mivondrona amin’ny MEDEF, na ny Mouvement des Entepreneurs de France.

Teo am-pahatongavana tany Paris dia efa voabaraka ny filoha Malagasy, raha ny tena marina amin’ny maha-filoham-pirenena azy, tokony hisy olona ambony Frantsay nitsena azy, fara-faharatsiny ny minisitry ny raharaham-bahiny Frantsay, na ny mitovitovy laharana aminy. Tsy nisy anefa izany, fa toa nangingina ny fitsenana azy tany amin’ny seranam-piaramanidina tao amin’ny renivohitra Frantsay.

Koa satria fivoriana iarahan’ny sehatra tsy miankina, no tena ivoriana mandritra ny 3 andro any Longchamp, fa tsy misy idiran’ny fanjakana loatra, tsy noraharahian’ireo mpikarakara Rajoelina fa seza kely toy ny “strapotin”, na seza volamena toy ny amin’ny taksibe aty amintsika no mba nomena azy nandritra ny lanonana tany an-toerana, tsy nisy ny antsoina hoe “place d’honneur”, na toerana nanomezana voninahitra azy amin’ny maha-filoham-panjakana azy.

Raha hisy ny ho fihaonana amin’ny filoha Frantsay Macron, mbola ho felaka teha-maina no ho azon’ity filoha DJ mpanongam-panjakana misolantsolana aty amin’izany. Rahampitso mahita izy hoy ny fiteny izay koa ankehitriny.