26 Aogositra – Taratasin’ny mpamaky – Patrick Rajoelina polisy frantsay misotro ronono, tsy mahay teny malagasy no atao ministry ny raharahambahiny?

Fanehoan-kevitra ampitaina amin’ny gazety Ny Valosoa Vaovao izao manaraka izao:

Inspecteur de police frantsay efa retraité, no sady tsy mahay teny malagasy dia atao ministry ny raharahambahiny, taratry ny fiandrianampirenena anefa izany raharahambahiny izany, satria ao avokoa no ifantohan’ny vahiny rehetra mivoaka sy miditra eto, tena efa ataon’ny fitondrana Rajoelina tsinontsinona mihitsy ilay firenena. Tsy misy malagasy Ray sy reny mahay ve eto?

Eritrereto hoe Macron hitady ministra dia Inspecteur de Police gasy no sady tsy mahay teny frantsay no antsoiny. Teto Madagasikara mbola tsy nisy filohampirenena nanao ministra vahiny izany raha tsy ity filoha Rajoelina ity, mahaontsa, zao ve sisa no iafaran’ilay Madagasikara vao ny Zaza saina no mitondra.

Ange Gabriel Razafinjatovo
Mpamaky gazety Ny Valosoa Vaovao