EDITO 28 aogositra – Tsy afak’olana ny seha-pampianarana eto amintsika

Sôh’son

Mifamahofaho be ihany ny fandehan’ny raharaha eo anivon’ny seha-pampianarana amin’izao fotoana izao, mba tsy ilazana hoe tsy milamina. Ahenoina toe-javatra misy olana, ohatra, ny momba ireo mpampianatra nitsara fanadinam-panjakana. Eo ihany koa ny zavatra mifanohitra be ihany amin’ny fandoavana na tsia ny vola aloa amin’ny sekolim-panjakana. Manampy izany na dia misoko mangina aza ny momba ny amin’ny sokajy sy ny taranjam-pianarana amin’ny kilasy famaranana.

Manaitra ny saina ihany ny mandre, fa misy vola tsy voaloa na misy fahatarana tamin’ny fitsarana fanadinam-panjakana bakalôrea. Misarika ny sain’ny mpanara-baovao ihany ny amin’ny fipetrak’izany, satria tsy misy filazana mazava ny amin’izany avy amin’ny tomponandraikitra. Rehefa misy mpampianatra manambana hanao hetsika fitakiana vao manomboka mitodika ny amin’izany ny tomponandraikitra voakasika. Tsy efa voalamina mialoha be amin’ny fotoana iatrehan’izy ireo ny fitsarana ny fanadinana ve izany? Lesoka amin’ny fomba fiasa indray koa izany. Andrasana aloha ny voka-panadinana hahatarafana ny momba ny fampianarana tamin’iny taom-pianarana nivalona iny.

Tranga iray tsy voafehin’ny fitondrana Rajoelina, hatramin’izay niakarany teo amin’ny fitondrana, ny amin’ny vola aloa eny amin’ireo sekolim-panjakana. Mifanohitra be hatrany ny ambaran’ny filohan’ny Repoblika sy ny fepetra raisin’ny tomponandraikitra eny ifotony. Raha nilaza ny tenany, fa tsy misy ny vola aloa amin’ny sekolim-panjakana, dia tsy mitombina izany, fa tena misy vola aloan’ny ray aman-drenin’ny mpianatra mialoha ny hanombohan’ny taom-pianarana. Ireo tomponandraikitra, talen-tsekoly no mahita ny zava-misy marina iainany isan-taona. Anisan’ny manahirana azy ireo ny fiveloman’ireo mpampianatra Fram sy ny fitaovana ilaina maro samihafa hampiasaina mandritry ny taom-pianarana. Hatreto ny fantatra dia tsy misy ny fanampiana ara-bola avy amin’ny fanjakana ho an’ireny sekoly ireny hiatrehany ny fandaniana samihafa tsy azony ialàna ao anatin’ny taona. Mazava loatra, fa karazan’ny tampi-maso ihany ireny sekoly aorina etsy sy eroa ireny, izay lazaina fa manara-penitra, kanefa sekoly maro no sahirana mila tsy hahavita ny taom-pianarana iray amin’ny vola fampandehanan-draharaha. Tsy lazaina intsony ao anatin’izany ny haratsian’ny fotodrafitrasa.

Miseho hitondra zava-baovao na hanova zavatra mihitsy amin’izao fotoana izao ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena. Efa natsidika tamin’ny taon-dasa ny amin’ny fampidirana sokajy vaovao sy ny fanitsiana ireo efa nisy: ny sokajy literera, ny siantifika, ary ny vaovao be dia ny O.S.E. Ity farany ity dia tsikaritra fa tena tsy ampy ny fanazavana azy. Tsy ampy ny fanazavana any an-dakilasy fa tena tokony ho fantatry ny vahoaka manontolo io. Ankoatra izay dia tena ilaina ihany koa ny fampahafantarana ny salanisa (coefficient) samihafa amin’ireo taranja sy ny mifanaraka aminy amin’ny sokajy. Raha manontany mpampianatra ao amin’ny kilasy famaranana dia mbola misy amin’izy ireo no sadaikatra, na tsy mahavaly manome fanazavana mazava sy tsotra.

Raha aravona, tsy mbola voafehin’ny minisitera tomponandraikitra, ny amin’ny toe-javatra maro samihafa manahirana eo amin’ity seha-pampianarana ity. Santionany ihany anefa ireo nambara ireo. Ny mizaka ny vokany hatrany dia ny ray aman-dreny sy ny mpianatra, noho ny tsy fahaizan’ny hafa.