TSY MISY HOATR’ITY HATRIZAY NANAOVANA

Tsy mbola nisy toy ity fa ela ihany no nanaovana.
Ny ao anaty fitondrana, lasa toeram-pilalaovana!
Ao no faly mikorana sy manao ny fanandramana,
Ny mpitarika malaza sy ireo “kinamanamana”!

Tsy voafaritra mazava hoe aiza marina no hizorana.
(Raha fehezina dia tsotra: tsisy ny fahamatorana!)
Andranandrana no betsaka, hany ka dia mahonena.
Moa lalaon’ankizy ve ny fitondrana firenena?

Mariky ny tsy fahaizana raha hahitsy sady tsorina
Ilay “minisitra telo andro ” dia “toa niala” na “nesorina”.
Tena mbola tsy fahita, tsy fandre ny toy izany,
Raha tsy tamin’ny fitondran’ity DJ irery ihany!

Mahalasa saina koa hoe mendrika azy ve ilay toerana,
Ny amin’ity “ilay raikalahy” nafindra any amin’ny fitaterana.
Raha niandraikitra spaoro no nalefa ho amin’izany,
Aoka dia hambara tsotra f’igagana eran-tany!

…Saingy hafa hatrany hatrany ny fisainan’ny mpitarika,
Fa mivaona any amin’ny tsy izy ireo rehetra toromarika.
Vokatra haingana no ilaina, ho tontosa ve izany?
Raha ireo aloha ny ekipa, tena nofinofy ihany!

TSIMIMALO (22-08-21)