Kaominina Alasora – Hanome taratasy ahafahana mitondra firakodia maimaipoana ho an’ny tanora

Aly

Araka ny fampanantenana nomen’ny ben’ny tanànan’ny kaominina Alasora, distrikan’Antananarivo Avaradrano, Jimmy Randriantsoa, hanome taratasy fahazoana mitondra fiarakodia, na permis de conduire maimaimpoana ny fiadidiana ny tanàna, ho an’ireo tanora lahy sy vavy tsy an’asa ao amin’ity kaominina ity.

“Permis de conduire” catégorie B jo homen’ny kaominina maimaimpoana amin’izany ho an’ny tanora : lahy na vavy 20-40 taona tsy an’asa. Mahay mamaky teny sy manoratra. Manam-potoana tsara hanaraka ny cours, na ny fampianarana mamily fiarakodia hatramin’ny farany, ka ny kaominina no miantoka ny saram-pianarana amin’izany.

Hisitraka izany ireo tanora monina ao amin’ny kaominina Alasora. Izay liana dia afaka manatitra ny CV sy ny photocopie CIN ary certificat de résidence ao amin’i Madame Narindra, porte N° 2, Commune Alasora hatramin’ny zoma 3 Septambra 2021 amin’ny 11ora atoandro.