Hawel Mamod’Ali, ministry ny tanora efa nigadra tokoa ve?

Lanzelo

Tsy mitsahatra ny mitsikafona ny maloto tandra vadinkoditra amin’ireto mpikambana maro ireto ao anaty ny governemanta vaovao natsangan’i Rajoelina sy ny praiministra. Lany olomanga mendrika sy tena mahavita ve ny firenena sa miha-vitsy ireo manana ny traikefa saingy tsy handeha hidi-kizo amin’ny tambazotra maloton’ny filoha sy ny forongony?

Anjaran’ny ministry ny tanora sy ny fanatanjahantena Hawel Mamod’Ali indray amin’ity indray mitoraka ity. Didimpitsarana tamin’ny taona 2003 no nitsikafona manambara fa voampanga ary voasazy herintaona mihatra an-tranomaizina ity ministra vaovao ity.

Raha marina tokoa izany dia manome ohatra ratsy ny tanora sy ny fara aman-dimby mihitsy ny fitondrana Rajoelina amin’izao fanendrena olona efa voampanga izao ho lasa ministra. Saingy fisehoan-javatra tsy natao hahagaga ihany izy ity rehefa fantatra fa fitondrana niorina tao anaty ny hosoka sy halabato no eo, ary mbola miampy saina ratsy, lainga sy fitaka ankehitriny.

Dia hanao ahoana indray izay ho safidin’i prezidà manoloana izao disodiso kely izao, hiroso sa hihemotra? Ary ingahy praiministra, ho ampiana ministeran’ny tanora sy fanatanjahantena koa ve ny ministeran’ny harena an-kibon’ny tany sahaniny?

MAMOD-ALI-HAWEL-Didimpitsarana 2003-HerintaonaMihatra
‘http://www.gvalosoa.net/wp-content/uploads/2021/08/MAMOD-ALI-HAWEL-CondamnationFerme-1an.pdf”>MAMOD-ALI-HAWEL-Didimpitsarana 2003-HerintaonaMihatra