Fitondrana Rajoelina – Manana olana amin’ny mpampianatry ny sekoly tsy miankina

Ny Valosoa

Tena mahatsiaro ho zanak’Ikalahafa ny mpampianatry ny sekoly tsy miankina, manoloana ny tsy fijeren’ny fitondrana Rajoelina ny momba azy ireo. Vao niandoha ny valanaretina coronavirus dia efa hadino ny mpampianatra tsy miankina, raha nahazo ny anjarany ny karazan’olona samihafa toy ny mpitatitra, saofera, eny hatramin’ny mpivarotena aza. Naato koa ny subvention na fanampiana fandray isan-taona nanomboka tamin’ny fitondran-dRajoelina, ary tsy nahazo izany intsony ny mpampianatra tsy miankina, mandrak’ankehitriny, na dia efa mba niova aza ny minisitra mpiahy.

Rehefa mizara vacation na tambin-karama tamin’ny fitsarana fanadinana dia alefa aloha ny an’ny mpiasam-panjakana ary aty aoriana matetika vao mahazo ny anjarany ny
mpampianatra tsy miankina. Rehefa misy tambin-karama vonona sy hozaraina avy hatrany dia tsy antsoina ny mpampianatry ny sekoly tsy miankina, fa ny mpampianatry ny fanjakana ihany no alaina. Fa rehefa mbola ho amin’ny herintaona vao homena ireny vola ireny, izay vao tambatambazana ny mpampianatra tsy miankina. Nefa anie ny
mpiasam-panjakana efa mandray isam-bolana sady tsy tapaka karama izany nandritry ny fahamehana ara-pahasalamana e! Ny mpampianatra tsy miankina anefa, na ny saram-pitaterana andehanany any amin’ireny toeram-pitsarana fanadinana ireny aza tao ho ao efa tena manahirana azy.

Amin’ity herinandro ity dia hisy indray ny fanofanana na formation atao ho an’ny mpampianatra niveau 2 amin’ny Cisco samihafa eto amin’ny nosy. Miteny ny tompon’andraiki-panjakana samihafa, fa sarotra iaraha-miasa ny mpampianatra tsy miankina, satria tsy mety manatrika ireny izy ireo mazàna. Ny marina dia ny ankamaroany tena sahirana, ka na ny sakafo sy saran-dalana ho amin’izany aza tena manahirana azy. Manao antso izy ireo hoe tsy mba misy fanampiana azon’ny fanjakana atao azy ireo mihitsy ve amin’ny fiatrehana fanofanana toy ireny? Ny ankamaroan’ny sekoly tsy miankina dia efa tena difotry ny fahasahiranana, noho ny fahatapahana imbetsaka tao anatin’ny
taon-tsekoly, ka tsy afaka mamatsy intsony ireo mpampianatra ao aminy, ka aiza ny fanjakana, sa dia mitazam-potsiny, nefa ny fampianarana sy fanabeazana anie, ka tena iankinan’ny hoavin’ny zaza Malagasy e?

Teo aloha koa dia mahoraka fa hofoanana ny fanadinana CEPE ary hiova ho serie L sy S sisa ny Baccalaureat. Rahoviana izany no hatomboka fa mbola tsy handrenesam-peo ny minisitra mpiahy amin’izao tapa-bolana alohan’ny fidirana izao? Sa ho avy indray ny kitoatoa sy ny peta-toko mahazatra ny mpitondra, ka efa manomboka mihitsy ny taon-tsekoly vao holazaina ny mety ho fanovana misy eo amin’ny tontolon’ny fampianarana?