Fitsidihan-dRajoelina any Frantsa – Diaspora fôpla no naseho

Niaina

Mitsidika ny any Frantsa amin’izao fotoana ny filoha Andry Rajoelina, hanatrika ny fihaonana eo amin’ny mpandraharaha avy amin’ny tany miteny Frantsay, sy ireo mpandraharaha any Frantsa mivondrona ao amin’ny MEDEF: Mouvement des Entreprises de France. Voalaza fa hisy ihany koa ny fihaonany amin’ireo Malagasy monina any ivelany, na dispora Malagasy any an-toerana.

Raha ny diaspora nasehon’izy ireo an-tsary tamin’ny tambazotran-tserasera sosialy ny faran’ny herinandro teo araka ny nambaran’ireo Malagasy tena mipetraka any ivelany, tsy Malagasy tena monina any an-dafy ireo naseho an-tsary, fa diaspora fôpla, tsy tena izy araka ny fitenin-jatovo, voalaza fa staff, na ireo mpiara-miasa amin’ny filoha, sy ny tale misahana ny tetikasan’ny filoham-pirenena avy aty an-tanindrazana izy ireo.

Mamita-tena ny filoha sy ny mpiara-dia aminy, hoy ireo diaspora miara-dia amin’ny mpanohitra any ivelany na ny RMDM dispora. Matahotra ny tena diaspora ihany koa ny fitondrana, satria nambaran’izy ireo fa efa feno ny toerana, amin’ny ho fihaonana amin-dRajoelina amin’ity herinandro ity.

Ankoatra izany, ambaran’izy ireo, fa gaboraraka ny fivoahana an’i Madagasikara, satria mbola mikatona ny sisintany amin’izao fotoana, nefa ahoana ny mpitondra sy ny mpiara-dia aminy, afaka mivoaka marobe toy izao, fa ny maro an’isa ihany no fehezin’izy ireo eto.