Famelomamaso ny antoko TIM – Omena karatra maha mpikambana ireo mpikatroka rehetra

Helisoa

Antoko matanjaka sy miaina ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM), fa tsy tahaka ny antoko sasany izay anarana sisa tsy very. Na izany aza anefa dia ny omby tsy indray mandry tsy indray mifoha. Noho izany, nanapa-kevitra ny birao politika nasionaly, fa misy ny famelomamaso ny antoko TIM, ka ao anatin’izany, fohazina avokoa ireo izay mbola matoritory any rehetra any, izay efa mpikambana tao anatin’ny antoko TIM hatrizay.

Eo ihany koa ireo izay mbola tsy niala mihintsy, ary ireo izay olona hiditra ho mpikambana vaovao dia ho raisina an-tanandroa. Amin’ny maha antoko politika ny Tiako i Madagasikara dia miomana haka fahefana izy, koa dieny izao dia ezahana hetsehina ny fototra manerana ny distrika eto Madagasikara. Hisy araka izany ny handraisana ny anaran’ireo mpikambana ao amin’ny antoko TIM manerana ny faritra eto amintsika. Rehefa vita izany dia hisy ny fizarana ny karatra ho an’ireto farany hahafantarana ny tena isan’ny mpikatroka ao anatin’ny antoko araka ny fanambaràna nataon’ny sekretera jeneraly Riana Randriamasinoro, nandritra ny fihaonany tamin’ireo tompon’andraikitry ny antoko TIM tao amin’ny boriborintany faha6 sy faha3 ny alakamisy sy omaly zoma.