21 Aogositra – Taratasin’ny mpamaky

Fanehoan-kevitra ampitaina amin’ny gazety izao manaraka izao: nilaza ny mpiasan’ny Air Mad, fa ny faripahaizana ananan’i Tinoke Roberto dia tsapa sy hita, fa tsy ahafahany miatrika ny adihevitra miaraka amin’ny mpiara-miombon’antoka amin’ny Air Mad sy ny seha-pitaterana an’habakabaka maneran-tany, izay mila fandresen-dahatra eo amin’ny sehatra fitaterana an’habakabaka iraisam-pirenena.

Mitovy tsy misy valaka amin’izany koa hoy ry zareo ao amin’ny APMF raha ny feo mandeha, ny APMF izay rantsana ao amin’ny fitaterana an-dranomasina sy an-dranomamy.
Aiza moa tsy ho potika ny firenena…

Efa nalana tamin’ny dipôme sandoka koa izany ministra izany, ka mety tsy hahavita ny andraikiny tokoa. Tokony hametra-pialana ohatry ny ministra Brice koa. Ministra 72h, mba tsy hilazana hoe ministra 24h.

Jonathan Rakotomiangaly
Antarandolo, Fianarantsoa.