Depiote José Antsirabe II – Mandiso ny filazana fa hizarana Vatsin’ankohonana ny TIM

Niaina

Misy amin’izao fotoana ny tsaho aely any amin’ny faritra Vakinankaratra iny, any Antsirabe faha-2, Betafo ary Faratsiho, milaza fa hizara Vatsin’akohonana any ny antoko Tiako i Madagasikara. Mandiso izany filazana izany ny depioten’Antsirabe faha-2 avy amin’ny antoko TIM, José Randrianantenaina.

Nilaza ity olom-boafidy ity, fa misy andian’olona manely tsaho, manangona anaran’olona, fa hoe hanome fanampiana any ambanivohitra hono, ny Filoha Marc Ravalomanana sy ireo depiote TIM, izay mitentina 150000 Ar isaky ny tokantrano. Nohazavainy, fa tsy anjaran’ny mpanohitra velively izany, fa an’ny fanjakana amin’ny alalan’ilay fanampiana “Vatsin’ankohonana”, efa azon’i Madagasikara tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina, tamin’ny alalan’ny ministeran’ny mponina, ary tokony mbola hitohy araka ny fifanarahana natao tamin’izany.