Mponina ao Amboakarivo Toamasina II – Tsy manaiky ny fakan’ny Filatex ny taniny

Helisoa

Niantso vonjy teo anatrehan’ny ambaran’izy ireo, fa fibodoan’ny orinasa FILATEX ny taniny, ny fikambanan’ireo vahoaka ao amin’ny fokontany Amboakarivo distrikan’i Toamasina II, any amin’ny faritra Atsinanana.

Nandefa taratasy narahina fanangonan-tsonia tamin’ny ben’ny tanàna tany an-toerana ireo mponina ny 11 aogositra lasa teo, rehefa avy nivory mahakasika ny tetikasa kasain’ny FILATEX atao eo amin’ny taniny. Marihina fa ity farany dia milaza fa tompon’ny tany, kanefa eto ny tanindrazanay sy ny fasanay hoy ireo mponina. Manoloana izany dia lavinay ankitsirano ny fakàna ny taninay araka ny taratasy fanoherana izay nalefanay ny 09 febroary 2020, hoy ireo vahoaka. Io dia tany izay niarahan’ny razanay niasa tamin’ireo vahiny mpanjanaka tamin’ny taonjato faha19 sy faha20: i tompokolahy Gilace, Chevalier P, François Jean Boiron tamin’ny fambolena kininina manamorona ny lalamby TCE, ho famatsiana angôvo sy ny masinina Besetroka, hoy hatrany ireo vahoaka.

Niantso ny ben’ny tanàna izy ireo handrara ny fakan’ny FILATEX ny taniny, izay ambaran’izy ireo fa niverina tamin’ny Malagasy rehefa tapitra ny fanjanahantany, ary efa misy ny fasandrazan’izy ireo izany rahateo. Notsipihan’ireo mponina tao anatin’ny taratasy nataony ny 11 aogositra; fa misoratra ara-dalàna sy ara-panjakàna amin’ireto vahoaka ireto ny tany amin’ny alalan’ny karatany 50203-KT-0086, 50203-KT-0087, 50203-KT-0081, 50203-KT-0082, 50203-KT-0080.

Notsiahivin’ireo vahoaka tamin’ny ben’ny tanàna, fa efa eo ampelatanan’ny fitsaràna ny raharaha, ary efa niangavy io ben’ny tanàna io hitondra ny raharaha eo anivon’ny fitsaràna misahana ny kolikoly: PAC ny fokonolona, eo anatrehan’ny tsindrihazolena rehetra ahafahan’ny orinasa FILATEX milaza fa azony ambongadiny ny tanin’ny Malagasy. “Izahay tompoko dia vonona hijoro ary tsy hanaiky velively ny fakan’ny karana ny taninay, izay manan-danja sy sarobidy aminay”, hoy ireo vahoaka ao Amboakarivo . Niara-nanao sonia io taratasy io ny vahoaka miisa 240 ao Amboakarivo, izay manao fanairana eo anatrehan’ny fahatsapan’izy ireo, fa tsy rariny ny fikasana haka ambongadiny ny tanindrazan’izy ireo”.

Ny 18 febroary 2020 dia efa nisy ny certificat d’occupation navoakan’ny kaominina Amboditandroroho, fa ny fikambanana FVPPA no mitondra ny tany mitondra ny titre 14601461-BA 560000m2 nanomboka ny 1974, ary ny FIMPAMA no tompon’ny tany 50203-KT-0086 , 50203-KT-0087 mirefy 18500m2 nanomboka ny taona 1998. Miantso vonjy ireo vahoaka, ary tsy hanaiky fa hiady hatramin’ny farany.