Mpitsara bacc any Antsiranana – Nidina an-dalambe, mbola tsy voaloa ny tambin-karamany

Aly

Misedra olana ny fitsarana ny fanadinam-panjakana bakalôrea: back amin’izo fotoana any Antsiranana, faritra Diana. Nitokona ireo mpampianatra mpitsara fanadinana bacc ary nidina an-dàlambe. Mitaky ny tambin-karamany tamin’ny taon-dasa izy ireo, izay tsy mbola voaefa hatramin’izao. Noho izay antony izay, miato ankehitriny ny fitsarana ny fanadinana any an-toerana. Momba ity fanadinam-panjakana bakalôrea ity, tamin’ity herinandro ity no tontosa ny andiany faha-2 tamin’ny back teknika manerana ny Nosy.