Fredah Mahatavika, RMDM Toliara – Tsy hahavaha olana ireo ministra vao voatendry

Isambilo

Nivahiny tao amin’ny fandaharana Miara-Manonja tao amin’ny Radio Mada, sy tao amin’ny Radio sy ny Televiziôna MBS omaly I Fredah Mahatavika avy amin’ny RMDM: Rodoben’ny Mpanohitra ho an’ny Demokarsia avy any Toliara faritra Atsimo Andrefana, nambarany tamin’izany fa voafitaka ireo ministra 6 avy any amin’ny Faritanin’i Toliara, fa nentina hakana ny fon’ny olona, mba hanaronana olona iray atahoran’ny mpitondra dia i SITENY fotsiny izany, hoy izy.

Tsy hahavita fahagagana ny ministra hoy ity mpanao politika ity, fa olona mpanompon’ny Filoha fotsiny, tsy hitondra ny hetahetan’ny vahoaka. Maika hahazo fahefana fotsiny ireo voatendry ireo. Tsy hamaha olana, fa raha nijery marina ny Faritanin’i Toliara ny mpitondra hoy izy, tsy niandry ela ny fampanantenana, toy ny building, ny fijerena ny fandriampahalemana. Noresahany ihany koa ny olan’ny JIRAMA izay tena midangana tokoa ny vidin-jiro sy rano ankehitriny, ka mampihemotra ireo mpandraharaha.

Ankoatra izany, nankasitraka ny filohan’ny RMDM, ny Filoha Ravalomanana izy, fa tena nahavita be tany amin’ny faritra atsimo tamin’ny nitondrany. Teo ny programa PSDR namorona asa ho an’ny tanora, ka tsy nironan’izy ireny tany amin’ny asa ratsy…