Mompera Prosper Ratovomananarivo – Mbola zatra ny gaboraraka tamin’ny tetezamita ny filoha Rajoelina

Niaina

Vahiny tao amin’ny fahitalavitra tsy miankina iray Mompera Prosper Ratovomananarivo afak’omaly. Tsy nitsitsy fitenenana ity olom-piangonana ity nandritra izany, nambarany fa mbola zatra ny gaboraraka tamin’ny fitondrana tetezamita ny Filoha Rajoelina, amin’ny fitantanana ny firenena amin’izao fotoana. Mbola ampitoviany amin’izany ihany ny fomba fitantanany ny firenena ankehitriny, hany ka lasa tsy ampy traikefa rehefa tena mitondra firenena amin’ny ara-dalàna.

Izany gaboraraka sy tsy fahaiza-mitantana izany hoy ity Mompera ity dia misy fiantraikany hatrany amin’ny fanendrena minisitra ilay fahazarany. Maika lava fa tsy ampy fandinihina amin’ny fiatrehana ny raharaham-pirenena ny filoha Rajoelina sy ireo mpiara-dia aminy.

Raha ny fahitana ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana izao tokoa, tsy vitsy amin’ireo Pretra Katolika no tsy mankasitraka ny fitondrana tarihan’Ingahy DJ, tao aorian’ireny raharaha Apollo 21 ireny ka naha voasaringotra ny Arsevekan’Antananarivo, Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona.