Lilongwe Malawi – Nahazo lesona tamin’ny Sadc i DJ mpanongam-panjakana

Ny Valosoa

Nipingapinga ery ity filohantsika namonjy ny fihaonana antampon’ny SADC faha-41 , na ny Vondrona ho amin’ny Fampandrosoana ny faritra Atsimon’i Afrika, notanterahina tatsy Malawi ny 16 sy 17 Aogositra 2021. Ny harivan’ny 15 Aogositra 2021, taorian’ny nanolorana ny anaran’ireo mpikambana vaovao tao amin’ny governemanta dia nisidina nihazo an’i Malawi Ingahy Filoha. Tsy nisy ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety talohan’ny niaingana, fa dia lasa tsy ankiteniteny sahala amin’ireny olona matahotra mosavy ireny, efa dila izy vao navoaka ny vaovao nanambara ny fandehanany.

Fihaonana antampony no natrehany, arak’izany dia filoha voafidimbahoaka ara-dalàna sy tamim-pahamarinana, filoha tsy tia hala-bato sy hoso-pifidianana avokoa ireo tonga nihaona. Ny SADC rahateo araky ny efa nahafantarantsika azy dia tsy nankasitraka ny fakana fahefana, tsy tamin’ny alalan’ny fomba demokratika toy ny niseho tamin’ny 2009, notarihan’i DJ Andry Rajoelina, ka nahavoasazy antsika Malagasy, sy ny fifidianana feno “doublon” nahavoafidy an’ Ingahy Filoha tamin’ny 2018, mahatonga ny firenentsika tsy itokisan’iza n’iza.

Fa vao mainka nohamafisin’ny SADC tamin’ny alalan’ny fehinkevitra navoaka ny tsy fankasitrahana io fomba fakana fahefana tsy ara-demokratika io. Inoana fa tafiditra soa amantsara tao anatin’ny lava-tsofin’Ingahy Filoha ny fehin-kevitra navoaka ary azo antoka fa tsy maintsy mba menatra kely ihany izy, ny dikany nahazo lesona tamin’ny Sadc i DJ mpanongam-panjakana. Nanatrika ny fihaonana an-tampon’ny Sadc ihany izy, nefa hatramin’izao tsy tanterahany ny fehin-kevitra ho fivoahana tamin’ny krizy teto Madagasikara tamin’ny taona 2019 ireny dia ny fampihavanam-pirenena, sy ny fanonerana ireo rehetra simba fananana, noho iny fanonganam-panjakana nataon’izy ireo iny.

ndrasana ny fiverenan’Ingahy Filoha antanindrazana, ka asa na hiditra antsokosoko toy ny vahiny tsy manan-karatra indray Ingahy Filoha, na mba hahalala hitafa amin’ny mpanao gazety. Marihina fa fomba fanao iraisampirenena ho an’ny filohampirenena, ny mitafa amin’ny mpanao gazety isaky ny mivoaka any ivelany, sy rehefa tonga hiditra an-tanindrazana, satria volambahoaka no miantoka ny dian’Ingahy Filoha mandroso sy miverina, noho izany dia tsy maintsy manao tatitra amin’ny vahoaka tompom-bola ny filoha, ka ny mpanao gazety no misolotena ny vahoaka malagasy. Ny tsy fanaovana izany fa tonga dia tsotsorina amin’ny alalan’ny famoahana fanambarana an-tsoratra dia midika ho fanaovana tsinontsinona ny vahoaka niantoka ny sarandalana sy izay lany tany ivelany tany.