Governemanta kitoatoa, fitondrana kitoatoa

Andry Tsiavalona

Araka ny efa fantatra dia voatendry ny alahady lasa teo ny governemanta “vaovao” tarihan’ny Praiminisitra Ntsay Christian. Iray andro taorian’io anefa dia fahafaham-baraka ho an’ny mpitondra indray ny fanendrena minisitra vaovao vitsivitsy, hita fa tsy matotra sy tsy mahay mihitsy izao fitondrana. Governemanta najoro kitoatoa, kitoatoa mihitsy izao fitondrana Rajoelina izao. Anisan’ny afa-baraka amin’izany ny filohan’ny Repobika izay tompon’ny teny farany amin’ny fanendrena. Tsapa tokoa fa tsy mba nisy fandinihana na fanamarinana akory ny momba ireo minisitra ireo, fa tefy maika araka ny fanaon’izao fitondrana izao no niverina. Tsy izay ihany fa toa manambany ny Malagasy ho tsy misy manana fahaizana eo amin’ny sehatra fifandraisana amin’ny any ivelany, na tsy maharaka ny resaka diplomasia, satria dia vazaha, tsy mahay teny malagasy akory fa mitondra anarana gasy fotsiny no notendrena ho minisitry ny raharaham-bahiny. Porofon’izany rehefa nanonona ny anaran’ny filohan’ny Repoblika izy dia heno fa tsy gasy mihitsy, ka inona moa no hantenaina aminy eo amin’ny fifandraisana amin’ny firenena any ivelany, indrindra eo amin’ny fangatahana amin’ny frantsay ny famerenana ireo Nosy malagasy?

Ny tena zava-doza koa dia olona manao hosoka eo amin’ny làlana nodiaviny teo amin’ny fianarana sy asa natao (cursus, CV) no notendrena ho minisitry ny harena ankibon’ny tany. Araka izany dia azo antoka fa hanohy ny fanaovana tantely afa-drakotra ny harem-pirenena indray izy. Soa ihany fa araka ny vaovao farany dia nahantona amin’izany andraikitra izany aloha ity olona ity. Na izany na tsy izany dia tomponandraikitra sady afa-baraka ny filohan’ny Repoblika, ka na tandrevaka na voafitaka izy tamin’ny fanendrena.

Azo antoka ihany koa fa mbola hitohy ny ady anatiny eo anivon’izao fitondrana izao. Porofon’izany ny fanendrena minisitra lefitra ao amin’ny minisiteran’ny tontolo iainana, izay vao andro vitsy lasa no nitsikera sy nanenjika ilay minisitra tompon-toerana, azo inoana fa tsy hanaiky mora ny nataon’ity notendrena hiara-miasa aminy ity. Rehefa nandray fitenenana ny minisitry ny Toekarena sy Vola vaovao taorian’ny famindram-pahefana dia namaky bantsilana, fa nisy fanodinkodinam-bola tao amin’ity minisitera ity. Ny fanontaniana dia izy no sekretera jeneraly tao nialohan’ny fanendrena azy, ka toa mitombina ity fanambarana ity, satria nolazain’ny minisitra nesorina fa nalefa tany Atsimo ny vola natokana ho an’ny Antenimierandoholona, izay raha ny lalàna momba ny fitantanana ara-bola no jerena dia tsy azo atao velively izany. Ny olana anefa dia nahoana no tsy tamin’ireny fotoana ireny dia efa nabaribary ho fanta-poko, fanta-pirenena izany toe-javatra izany? Ny andrasana dia ahoana ny ho tohin’ity raharaha ity, satria raha ny fanambaran’ny minisitry ny fitsarana vaovao dia tsy maintsy hiharan’ny sazy izay nanao hadalana.

Raha nosoloina koa ny minisitry ny atitany izay fantatra tamin’ilay raharaha “écrans plats” dia ho sahin’izao fitondrana izao ve ny hanenjika azy, satria miendrika fanodinkodinam-bolam-bahoaka (détournement de deniers publics) izany. Ho sahy hijoro vavolombelona ve ny minisitra vaovao raha toa ka handalo fitsarana ny minisitra teo aloha, satria efa karazana fiampangana no nataony. Ny mampihomehy anefa dia ny minisitra vao notendrena ho ao amin’ity minisitera ity dia efa nitazona izany andraikitra izany tamin’ny tetezamita ary ny nampalaza azy dia ilay fifidianana Lalàmpanorenana izay azo nampiasan’ny mpifidy karnem-pokontany. Azo eritreretina fa izany no anton’ny anitsakitsahan’ny mpitondra sy tsy anomezany hasina ity Lalàmpanorena ity. Ity toe-javatra iray ity kosa dia azo antoka fa fanahy iniana, satria efa mitsinjo lavitra ny filohan’ny Repoblika eo amin’ny fanomanana ny fifidianana amin’ny taona 2023.

Raha ireo tranga ireo no jerena dia izay tsy vitan’ny mpitondra nifandimby tao anatin’ny enimpolo taona tokoa dia ny ekipan-dRajoelina Andry no hanatanteraka azy, ary efa betsaka no vitany tao anatin’izay roa taona sy fito volana nitondrany izay. Aza malahelo maty voalavo ry Malagasy fa ny any an-tsaha mbola hiakatra, raha tsy hatao izay hamongorana azy dieny mbola hita fa marefo izy.