EDITO 19 aogositra – Sahaza an-dRajoelina ireo ministra notendreny

Ny Valosoa

Tsy mbola nisy ohatr’ity hatramin’izay nanaovana hoy ny fiteny mahazatra. Vao nivoaka ny anaran’ireo mpikambana vaovao ao amin’ilay governemanta vao najoro dia efa sesilany ny tsikera mivaivay, nivoaka tany amin’ny tambazotran-tserasera sosialy famoahambaovao isankarazany, ny azo ambara dia vaovao vita fanamarinana avokoa ireny nivoaka ireny , tsy minisitra iray ihany no tratran’ny tsikera fa maromaro hoy ny tsy mahay manisa. Ny tena loza aza dia nisy minisitra iray voatery nampiandrasana ny fahatongavan’Ingahy filoha avy any ivelany vao hatao ny famindrampahefana, ka asa izay fanapahankevitra ho raisina eo.

Tongo-bakivaky ka sady maharary, no mahamenatra izao miseho izao, ary tena mampalahelo mihitsy, satria tena natao kilalaon-jaza ny raharaham-pirenena, aiza ve ka olona ho tendrena ho minisitra dia tsy mba nisy akory fanadihadiana mialoha, fa dia natao toy ny fisafidianana mpanao filatroana. Ny fahitana ny fihetsik’Ingahy Filoha dia toy ny mbola any anaty “boite de nuit” izy, fa tsy filoha any andapa, ka alaimpanahy hisafidy ireo ravoravo natentina, ka tsy mijery ireo tena fototr’olona. Ireo mpanao kaonty fako mpiaro anjambany ny fitondrana dia manadio mafy an’Ingahy Filoha, ka mibararareoka amin’ny hoe olombelona ihany hono, fa tsy Andriamanitra ny filohan’izy ireo, noho izany tsy afaka haminany izay toetran’olona rehetra.

Ny azo ambara eto ampamaranana dia tsy tokony hahagaga raha karazan’olona toy ireny no notendren-dRajoelina, satria raha hafa toetra noho ireny tsy ho resy lahatra mihitsy hiditra ho minisitra, noho izany dia tsangan’olona sahaza ny filoha ireo, fa tsy mendrika ny vahoaka sy ny firenena.