RY TANINDRAZANAY KARANA ?

Tsy ho tafavoaka intsony ireo ekipan-dRajoelina,
Fa vao mainka tena hihitsoka ao anatin’ny tonelina.
Tsisy tara-pahazavana hita mba manarangarana.
Haizina nampiana haizina no mitohy sy tsy mifarana.

Eny na dia hoe nalana ireo izay tena tsy mamokatra,
Tsy avotra ny lamasinina fa manao famindran-tsokatra!
Rehefa avy “nandohalika” tamin’ny andron’ny amiraly,
Dia “handady” ny vahoaka ka vao mainka koa hijaly!

Nodradraina fa hatao ny politikam-pitsitsiana,
Kanjo, indrisy, ny minisitra, toa vao mainka koa nampiana.
Be sahady ireo voatendry no voalaza ho be afera,
Ka voaenjika ao anaty tambazotran-tserasera.

Fidedahana no betsaka, ’zay tsy atao no toa lazaina.
(Mihevitra an’ireo vahoaka ho bado sady kely saina!)
Puce n’omby sy drone, nodradraina ombieny ombieny.
Ho lany ringana ny omby ve vao ampiasaina ireny?

Ny mpangalatra, mpandroba, mpaka an-keriny ny tany,
Dia ireo olon’ny mpitondra sy vahiny hatrany hatrany.
Hatramin’ny hiram-pirenena no efa an-dalam-panovana
Mba hanjary lasa hoe “ry tanindrazanay karana”!

Izany izao no zava-misy ka ny maso no ahirato:
Fitondrana tsy izy intsony io na dia mbola ovàna injato!
Mijoroa, miraisa hina, tonga ny ora rey vahoaka.
Mila esorina haingankaingana ireo izay efa tsisy hapoaka!

TSIMIMALO (17-08-21)