Sabotsy izao, Vehivavy TIM Analamanga – Fialamboly sy politika ao amin’ny Magro Behoririka

Isambilo

Ao anatin’ny fameloma-maso sy fanetsehana ny ao amin’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM), sy amin’izao fotoam-pialan-tsasatry ny mpianatra izao, hanatanteraka hetsika fialamboly sy politika ny Vehivavy Tiako i Madagasikara amin’ny faritra Analamanga ny sabotsy izao, etsy amin’ny kianjan’ny Finoana Magro Behoririka

Nambaran’ny mpitarika Rahelisoa Arphine, fa efa vita ny herinandro lasa teo ny fanadinam-panjakana bakalôrea ankapobeny, ary ho vita amin’ity herinandro ity ny andiany faha-2 amin’ny baka teknika, tsy ny mpianatra ihany hoy izy no mila miala sasatra amin’izao fotoana izao, fa ny ray aman-dreny ihany koa. Mafy izay niainana ny enimbolana voalohan’ny taona 2021 izay, teo ny valanaretina coronavirus, teo ny fahalavan’ny taom-pianarana, ka mialohan’ny fidiran’ny mpianatra indray amin’ny fiandohan’ny volana septambra hoy izy, tsara raha mba miala voly ny vehivavy, tsy ny Vehivavy TIM ihany, fa ny vehivavy rehetra, sy ny olona rehetra tsy ankanavaka mihitsy no hasaina amin’ny sabotsy io araka ny nambarany.

Na fialamboly aza no hatao, tafiditra eny antsefantsefany eny ihany ny politika, amin’ny maha-rantsana iray ao amin’ny antoko najoron’ny filoha Ravalomanana ny Vehivavy TIM Analamanga. Hanomboka amin’ny 9 ora maraina ny fotoana ny sabotsy 21 aogositra io, hitohy mandra-pahariva ny andro ny hetsika. Na Vehivavy TIM aza no mikarakara dia tsy manakana velively ireo fikambanana ao anatin’ny RMDM rehetra na olontsotra izany ho avy, satria ilaina ny fialamboly hiatrehana ny fiainana mafy ankehitriny hoy ihany ny mpikarakara. Ankoatra izany, samy hitondra ny sakafo sahaza azy avy ny tsirairay. Natao ho an’ny daholobe ny hetsika.