Fety nomanin’ny MBS – Nangoro-vitsika ny tany Ambanja

Isambilo

Fety tantara tsanga na teatra, nomanin’ny Radio sy ny televiziona MBS tany Ambanja, faritra Diana, nangoro-vitsika ireo olona niatrika izany. Anisan’ny nikarakara izany ny mpanao gazetin’ny Radio sy ny Televiziona MBS any an-toerana Lenda William.

Nambarany fa: “ raha 20 desambra 2020 antsika farany tao amin’ny trano fiofanana, tsapa tamin’izay fa tsy ômby antsika ny toerana io. Nanapakevitra izahay tato amin’ny MBS Radio Ambanja, fa hangala Stade Municipale tamin’ny dimanche 15 Août 2021 teo, io ny vokany. Misaotra mille fois antsika vahoaka ny Ambanja. Tsy fitadiavam-bola loatra no natao fa nizara fanabezana amin’ny alalan’ny tantara nataon’ireo zandry zanaka tao amin’ny Groupe Tsikoazaka avy Antsohihy. Aleo sary mikoragna. Tsisy gitara, tsisy amponga, tsisy clavier tao. Andro mantsagna koa ».

Arak’izany, tsy ny hirahira ihany no tian’ny mponina any Ambanja, fa mahaliana an’izy ireo koa ny teatra.