Beravina Morafenobe – Dahalo 50 mahery nanafika tanàna, olona 2 namoy ny ainy

Niaina

Miseho lany ihany koa amin’izao fotoana ny asan-dahalo mahery vaika any amin’ny distrikan’i Morafenobe, faritr’i Melaky iny. Dahalo manodidina ny 50 isa no nanafika tao An-kalalo, Kaominina ambanivohitra Beravina, distrikan’i Morafenobe, Faritra Melaky ny faran’ny herinandro teo. Vokany, olona 2 no namoy ny ainy vokatry ny tifitra nataon’ ireo dahalo, olona 2 hafa sy miaramila iray no naratra. Omby 42 ihany koa no lasan’ireo dahalo.

Na manao ny ainy tsy ho zavatra aza ny mpitandro filaminana sy ny fokonolona any an-toerana, amin’ny fitandroana ny filaminana sy fandriampa-halemana, tsy afa-manoatra izy ireo manoloana ny andian-jiolahy marobe mirongo fiadiana toy izao. Ka manaitra ny tompon’ andraikitra ny any an-toerana mba hampitombo ny isan’ny mpitandro filaminana.