EDITO 17 aogositra – Governemanta vaovao – Governemanta vaky « balle »

Ny Valosoa

Asa raha dia efa inona loatra ny vintantsika malagasy, fa dia mampisitribelona mihitsy raha mijery ny ataon’ireto lazaina hoe mpitondra, fa dia toa ohatrin’ny totombintana izany isika eto Madagasikara, sendra izay mpitondra tsy mitsahatra mamoatsampona hatrany ary tsy mety lany henatra fa dia sahy manohy tsy ankiato ny kitoatoa tsy fampiseho masoandro.

MINISITRA LEFITRA HONO !

Nijoro ny governemanta fa vaovao, izay marihina kosa aloha fa antsasaky ny isan’ireo mpikambana vaovao ny isan’ireo tafaverina amin’ny toerany, 22 ireo vaovao ary 10 miampy an’Ingahy Praiminisitra dia manome 11 ireo teo aloha, fa ny mahatsikaiky dia ny fisian’ny minisitra lefitra 3 be izao, sady ireo minisitera izay azo lazaina ho minisitera madinika no nasiana minisitra lefitra, dia ny ministeran’ny tanora, ny ministeran’ny fiompiana izay nosarahina tamin’ny minisiteran’ny fambolena, ary ny tena mapme arakaa ny fitenin’ny tanora ankehitriny dia ny fisian’ny minisitra lefitra misahana ny fandrakofana ala hono.

INONA NO ATAO HOE LEFITRA ?

Tsy fantatr’izay nanangana ny governemanta ny dikan’ny hoe “lefitra”, raha amin’ny teny frantsay dia “adjoint “ na “vice” no dikan’ny lefitra, ka misolo toerana ilay tena tompontoerana ny lefitra amin’ny fotoana tsy mahafaka azy, ny tiana hamafisina dia mitovy ny andraikitry ny roa tonta fa ny maha samihafa azy fotsiny dia ny voalohany tompon-toerana ary ny faharoa mpisolo toerana, noho izany dia mahamenatra ny fisian’ny hoe minisitra lefitra miadidy ny fiompiana kanefa tsy misy ny minisitra tompontoerana misahana ny fiompiana, dia toy izany koa ilay hoe minisitra lefitra miadidy ny fandrakofana ala, izay hita avy hatrany ho fandanindaniampoana tsy amin’antony, tokony ho fitaleavana na sampandraharaha akory aza izany hoe fandrakofana ala izany, fa tsy hananganana minisitera.

TSY NOHENOIN-DRAJOELINA i RASOAMAROMAKA

Vao tamin’ny Zoma 06 Aogositra 2021 teo no nampiakapeo tao amin’ny fahitalavitra tsy miankina iray Ingahy Governoran’ny Faritra Analamanga, nitabataba ny hoe tokony ho olona avy amin’ny Antoko Tgv avokoa hono no minisitra tendrena amin’izay dia maharaka tsara ny hafainganampandehan’ Ingahy Filoha, iza anefa no tsy mahatsapa f’ilay Filoha anie, ka mitamatama arakaa ny filazan’ny Filoha Ravalomanana amin’ny fandraisana andraikitra sy fanapahankevitra, ny fiandrasana ora iray mahery tamin’ny fotoana voatondro teny andapa tamin’ny alahady teo dia manaporofo ny fitavozavozan’Ingahy Filoha , ny Governora efa voatendry dia 21 amin’ny 22, tsy mbola voatendry ny ao Betsiboka, ny any Vatovavy Fitovinany tsy mazava hoe mankaiza ilay voatendry teo aloha taorian’ny fanasarahana , ny tao Anôsy voatendry ho ministra misahana ny asa vaventy, banga koa izany ny toeran’ny governora ao, ka raha izao fitarazohan’Ingahy Filoha tamin’ny fanendrena izao dia azo antoka fa amin’ny faran’ny taona 2022 vao ho feno tanteraka ny isan’ny governora.

TSY TO-TENY KOA RAZANAMAHASOA

Tsy Ingahy Rasoamaromaka ihany no tsy nohenoin’Ingahy Filoha fa nodiany fanina koa Ramatoa Razanamahasoa sy Ingahy Naivo Raholdina, izay samy nanao angoatenda mitanisa ny hoe tokony hatao Tgv manontolo hono ny minisitra tendrena, kanefa vao tsy nanolo ny Praminisitra izay tsy Tgv Ingahy Filoha dia efa mazava fa nanampin-tsofina tamin’ireo mpiray antoko aminy.

Ny azo antoka anefa dia tsy ho sahy akory hanao fanambarana hanameloka an’Ingahy Filoha ireo Tgv bevava , fa tsy maintsy hiala ilany amin’ny hoe tena mety ny nataon’ Ingahy Filoha satria noesoriny avokoa ireo minisitra nifamaly tamin’ny solombavambahoaka.
Raha ny lojika aloha dia azo lazaina ho manonofy atoandro ihany ireo mpitarika Tgv, satria tsy mahavita tena io antoko io, fa tsy maintsy mila ireo antoko hafa mpikambana ao amin’ny Mapar, ka izany no nahatonga an’Ingahy Filoha tsy nanakaton-trano , tena mety amin’izy ireo ny fisokafana ahafahana mampahomby indray ny hosoka amin’ny fifidianana manaraka.

Ny governemanta najoro dia natao hanomana fifidianana ,izany no antony tsy nanesorana an’Ingahy Praminisitra, izay efa nahitan’izy ireo fahombiazana tamin’ny fifidianana feno hosoka ary ny isan’ny minisitra nampitomboina izay mazava be, fa governemanta vaky “balle” , fizarana “gateau” koa no azo ilazana azy, satria ny firenena efa mahantra tokony hitsitsy ny dikany, nefa mbola nampitomboina ihany ny isan’ny ministera.