TSY NY HITONDRA FA NY HANDRAVA

Tsy dia niomana hitondra fa ny hanongana sy handrava,
Izay no tena nimasoan-dry boaikely sy ny tariny.
Fitapitaka sy lainga miampy andrasoandraso lava,
Izany sisa fomba fiadiny fa mihamaizina ny sariny!

Raha fahaizana, tsy misy, traikefa koa tsy ananany.
(Ao anaty fitondrana vao mandeha ny fanandramana.)
Tsisy ny mangarahara ny amin’ny fomba fitantanany.
Manam-bola no tompoiny, ireo no hany alainy ho namana.

Ireo vavana ihany koa no hany mba mpitondra teniny,
Tsy ny manana fanahy na koa ny manam-po mangoraka,
Fa ny mbola vantombantony tia mirehaka ho “reniny”,
Faly ny mihorakoraka ary tia mitoratoraka!

…Hany ka tsy mahagaga raha mizotra any amin’ny tsy izy,
Ity lazaina ho lamasinina tena haingana fisosa.
Ny mitondra firenena, lasa toa lalaon’ankizy,
Ka indreo fa ny vahoaka no mihareraka sy osa!

DADAN’i RIANA (15-08-21)

(Sary nindramina)