Ambatomanoina Anjozorobe – Nanampatra ny habibiany ny dahalo

Stefa

Nanampatra ny habibiany ny dahalo tany amin’ny kaominina Ambatomanoina, distrikan’Anjozorobe, faritra Analamanga. Raha ny vaovao voaray, ny alahady lasa teo, renim-pianakaviana iray no maty notifirin’ny dahalo rehefa avy nanamparany ny filan-dratsiny tao Belavabary fokontany Anosikely, kaominina Ambatomanoina, distrikan’Anjozorobe.

Tena manao ny ataony mihitsy amin’izao fotoana ireo olon-dratsy any amin’iny tapany andrefan’ny distrikan’Anjozorobe iny, ka miantso vonjy amin’ny tompon’andraikitra ny mpo-nina any an-toerana. Marihina fa fantatra ny iray amin’ireo nahavanon-doza, izay mitondra ny solon’ anarana hoe Arisy.

Mampalahelo ny zava-misy, satria vao 2 taona monja ny zanak’ity vehivavy nanamparan’ny dahalo ny habibiany ity.