17 Aogositra – Taratasin’ny mpamaky

Fanehoan-kevitra ampitaina amin’ny gazety Ny Valosoa Vaovao izao manaraka izao, mahakasika ny famakafakana ny raharaham-pirenena misy amin’izao fotoana.

Tsy misy zavatra takatr’i DJ afa-tsy ny hanao lanonana. Na efa mandalo krizy faran’izay sarotra aza ny firenena dia mbola ny ” kifetifety” sy ny ” Werawera ihany no mahafaty azy.

Tsy azo afenina intsony, fa misy ny krizy politika eto Madagasikara, ary avy ao amin’ny fitondrana daholo ny antony, fa tsy avy amin’ny mpanohitra: misy mitady hamono e, CAPSAT e, tsy mahay ny asany e,… Ny fanoloana ny mpikambana amin’ny governemanta dia midika fa misy olana lehibe ny firenena iray, mandalo fotoan-tsarotra: TSY FOTOANA HIDERADERANA IZANY IZAO, FA TOKONY MBA HAHAY HIPETRAKA FA TSY NY VONINAHITRA NO ATAO HAHAFATY. Ny famoronana olana tsy ahitam-bahaolana no tena talentan’ny fitondrana Rajoelina hatreto: iarahantsika mahita ny loza rehetra nateraky ny fanonganam-panjakana, izay zakaina amin’izao fotoana izao: potika ny orinasam-panjakana rehetra, nopotehina izay orinasa nanome asa sy afa-nanolotra entana tamin’ny vidiny mirary, nidina ny fari-pahaizana sy ny toe-tsaina ary nidangana ny vidimpiainana amin’ny lafiny rehetra. Manjaka tanteraka ny tsy fahatokisana. Tsy misy mino izay lazain’ny filoha DJ, Rajoelina intsony ny maro. Leo fitaka ny olona, ordinatera e, karinempokontany e, tramway e, … Izao zavatra sendran’ny masony rehetra izao no ampanantenainy olona, nefa ny volan-trosa no eo ampelatanany. Na hihazakazaka 100km/h aza ny TGV, nefa mandeha tsy misy olona mitaingina dia atao inona? Miparitaka eran’ny gazety any ivelany, fa nohon’ny ” tsy fahaizana” no nanalàna ny minisitra “, izay midika ihany koa fa izy lohany mihitsy no lohana lamasinina misy olana.

Tsy kianja akory na kilalao no tena ilain’ny tanora, fa fanampiana azy ireo hanomana ny hoaviny tsy hoe tolotolorana fanampiana, fa tena ampiana amin’ny lafiny rehetra hiatrehany ny fiainany. Ataovy tomombana ny zava-drehetra hahafahany miasa tena (fanamorana ny taratasy, ny hetra, ny toerana), fa tsy hoe hilalao foana akory ny ao andohany nefa ny firenena mahantra toy itony, mila tanana hiasa.

Christiane Ramananarivo
Mpamaky gazety Ny Valosoa Vaovao