Fandaharana Sahia Lasa Zao – MBS, Radio Mada – Miova endrika ny seraseran’ny RMDM sy ny TIM

Ny Valosoa

Vahiny nandritra ny fandaharana Sahia Lasa Zao, omaly zoma 13 aogositra tao amin’ny radio sy ny fahitalavitra MBS ary ny Radio Mada i Bodoarisoa Razafindrazaka, na i Bodo mpanakanto, efa nisehatra teo amin’ny lafiny politika koa, satria efa isan’ny nilatsaka ho fidiana ho solombavambahoaka tamin’ny anaran’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM) ny tenany. Marihina fa i Bodo dia mpanakanto namorona ny hira fanevan’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM) niaraka tamin’ny filoha Marc Ravalomanana, izay efa ho 19 taona izao, fa tsy lefy laza nohaingoan’ny feo mangan’i Bodo. Ny fandaharana Sahia Lasa Zao isaky ny zoma dia miompana amin’ny vehivavy sy ny tanora; ka ny mpanao gazety Arphine Rahelisoa sy Bao Razafimahefa no manentana ny fandaharana.

Araka izany dia niompana tamin’ny resaka vehivavy sy tanora mpanao politika ny fandaharana, teo ihany koa ny lafiny sosialy, ka tafiditra tamin’izany ny lafiny fanabeazana sy fitsaboana, ary ny resaka manodidina ny vaksiny. Nisongadina tamin’ny fandaharana SAHIA LASA IZAO ny resaka fahasahiranana mahazo ny tokantrano Malagasy amin’ny fiakaran’ny vidim-piainana. Mila mijery ny tena laharam-pahamehana ny mpitondra amin’izao fotoana izao hoy i Bodo, satria efa tena mijaly ny vahoaka. Ny lafiny fanabeazana dia sahirana ny ray amandreny, ny fitaovampianarana eny amin’ny EPP vao mainka tsy takatry ny fahefa-mividin’ny ray amandreny intsony. Raha ny lafiny fitsaboana ny coronavirus dia tokony hanome ohatra ny mpitondra fanjakàna amin’ny fanaovana vaksiny, satria io ihany no tena hery fiarovana iadiana amin’izany. Nandritra ny fandaharana ihany koa no nankaherezan’i Bodo ny Malagasy amin’ny ankapobeny mihintsy, amin’izao fahasahiranana lalina mianjady eto amin’ny firenena izao.

Ity fandaharana ity amin’izao fotoana, dia miezaka misokatra amin’ny vehivavy sy ny tanora tsy ankanavaka manerana ny Nosy araka ny nambaran’ireo tompon’andraikitra.