Fiainan’antoko – Manetsika ny fototra ny TIM faritra Menabe

Isambilo

Manetsika sy mamelo-maso ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM) amin’izao fotoana ny any amin’ny faritra Menabe, indrindra ny any Morondava. Anisan’ny mitarika ny antoko any an-toerana i Rivojaona Raherimihaja, nambarany fa: « ao anatin’ny fanomanana ny kongresy ny mpikatroka TIM ato @ faritra Menabe.

Laharam-pahamehana ny redynamisation ny antoko na fanetsehana sy fameloma-maso indray ny antoko, misy ny fanavaozana ny mpikatroka amin’ny famenoana ny firotsahana ho mpikambana TIM. Diso ny filazan’ny sasany, fa hizara vola ny antoko. Miezaka manimba ny antoko ny sasany rehefa hitany, fa mirohotra amin’ny fisoratana ho mpikambana Tim ny maro.

Manentana ny rehetra izay maniry ny ho mpikambana ho tonga ao amin’ny radio Mbs Namahora Avaratra Morondava haka ny tsara ho fantatra”. Anisan’ny faritra iroboroboan’ny antoko TIM ankehitriny ny any amin’ny faritra Menabe, noho ny fahatsapan’ny any an-toerana ny tsy fahombiazan’izao fitondrana Rajoelina izao.