Potika ny voka-bary, manjaka ny tsy fandriampahalemana – Toy ny tany tsy misy fanjakana any Morombe

Niaina

Araka ny vaovao voaray avy any amin’ny distrikan’i Morombe faritra Atsimo Andrefana iny, miraviravy tanteraka ny mponina any an-toerana amin’izao fotona, satria potika ny voka-bary, manjaka ihany koa ny tsy fandriampahalemana ankehitriny any amin’izany distrika izany.

Potika ny vary any an-toerana, noho ny tsy fisian’ny rano, satria feno fasika ny lakandrano, ka voatery notapahana aloha ny rano ho fandiovana izany canal, na lakandrano izany. Mahazo vahana koa ny tsy fandriampahalemana, miseho amin’ny alalan’ny halatr’omby, hala-botry, vaky trano ary vono olona. Toy ny tany tsy misy fanjakana ny any an-toerana amin’izao fotoana araka ny vaovao voaray.

Noho ireo antony ireo, ahiana koa ny tsy fahampian-tsakafo any Morombe, nefa faritra tena mpamokatra eto amintsika izany faritra izany. Araka ny vaovao azo avy any amin’iny faritra Atsimo Andrefana iny, miitatra any amin’ny distrikan’i Manja izao olana misy any Morombe izao.