ANY IANAO RY TRANON-DAINGA

Dia aiza ilay menaka sy vary mora,
F’izay ilay nataonao fampanantenana?
‘Zao ny olo-nifidy anao ‘ty no voakora
Ho mora fitahiana sady sanana!

Tsy midina intsony ny kapoakam-bary,
Satria dimanjato daholo na mihoatra.
Ny menaka ho tonga iray alina ariary,
Ka saino izay vendrana hoe iza loatra?

Dia nankaiza koa ‘ty ilay teleferika
Natao hampitohy an’ireo avo toerana?
Sa tena izany ilay hoe fikafika
Na nofin’ny olona tsy ampy fiheverana?

Ireo no santionany nentina androany
Fa mbola tsy tapitra akory ny lisitra.
Ianao tranon-dainga mba diniho ihany,
F’izao isika anie miady hatrany ny ho gisitra!

DADAN’i ZINA (09-08-21)