Jean Claude R. avy any Tsiroanomandidy – Tena mijaly ny olona noho ny fiakaran’ny vidim-piainana

Stefa

Nitondra fanehoan-kevitra tao amin’ny fandaharana Miara-Manonja tao amin’ny radio sy ny televiziona MBS Andriamatoa RANDRIAMAMPAHERY Jean Claude, assistant parlementaire ny Depiote avy any Tsiroanomandidy faritra Bongolava.

Tena mijaly hoy izy ny olona noho ny fiakaran’ny vidim-piainana, misy ilay antsoina hoe sarakantsaha: olona ampiasaina hatramin’ny 3 na 4 ora hariva, ka mikarama 4000 Ar na 5000 Ar kanefa raha oharina amin’ny litatry ny menaka izay efa 8500 Ar izany, dia tena tsy tafavoaka ny mponina. Io moa dia efa voalaza teto amin’ny gazety Ny Valosoa Vaovao, fa noho izay fidangan’ny vidin’ny menaka izay, misy ankehitriny no vidiana amin’ny sotro izany menaka fihinana izany.

Nasiany resaka ihany koa ny mahakasika ny tsy fandriampahalemana, tena mafy hoy izy vao mahazo omby nefa io no tena ampiasaina amin’ny fambolena, mila mivarotra vary aman-taoniny maro vao mahavidy ombilahy 2 miasa, kanefa ao anatin’ny indray mi-pimaso dia lasan’ny dahalo.

Mandry tsy lavo loha ny olona, ka mila ny fanjakana mba hijery akaiky io tsy fandriampahalemana io, mifandraika indrindra amin’izay mantsy hoy izy, ny fampanantenana nataon’ny filoha Rajoelina amin’ny resaka puce sy drône, faly ny olona tamin’izany fotoana satria resaka fiveloman’ny olona ny fiompiana, ka raha mampiasa drône rehefa sendra misy omby very dia tonga dia hita hoy ny fampanantenana, nisy omby very aman-jatony anefa hoy ity mpanao politika ity taty taoriana nantenaina tamin’ilay drône, fa tsy nisy akory ilay izy hoy izy. Ny omby very, lasan’ny dahalo ihany.

Ny harena ankibon’ny tany, manankarena ny malagasy fa resaka fitrandrahana ve no tsy mety hoy izy nefa eo koa ilay tsy fandriampahalemana, misy ny olona mandeha mitrandraka fa rehefa mandeha any mandritry ny tapa-bolana na mihoatra aza dia misy manafika rehefa hiverina.

Namaranany ny fanehoan-keviny ny momba ny resaka fitsarana, na dia manana ny marina aza hoy izy rehefa tsy manam-bola dia very, manjaka ny kolikoly, ary nilaza izy fa efa vavolombelon’izay zavamisy izay.